14/11/2022
VAKIO KA ZARAO🙏🏻
🔥Ny café sy ny fahasalamana
iresaka momban'ny café sy ny mahatsara azy amin'ny fahasalamana isika eto. Anisan'ny manampy fitadidiana sy ny fifantohana izy, mampihena ny mety ahazoana ny Alzheimer sy ny cancer samihafa. Kanefa raha be loatra ny fisotroana azy dia lasa mampitombo be ny fitempon'ny fo izy, tosidra mandalo sy ny fahasorenana. Na izany aza dia ireto misy voka-tsoa azo avy aminy raha sotroina am-pahamendrehana fa tsy be loatra.
âś…Miaro ny taova:
Mitondra hery izy sady manaitaitra, misy antioxydant ihany koa izy izay manalava ny fahaveloman'ireo taova. Nisy fikarohana nilaza fa ny fisotroana café 2 kaopy isan'andro eo no manampy ny fahasitranan'ireo olona marary voa. Manampy amin'ny fiasan'ny aty sy ny fikorian'ny ra ihany koa izy.
âś… Manala fanaintainana:
Anisan'ny manala fanaintainana izy indrindra raha marary an-doha, aleo misotro café toy izay paracétamol
âś…Manamora ny fiasan'ny sela ao amin'ny ati-doha:
Anisan'ny manampy ny sela izy tsy ho mora maty, indrindra ao amin'ny ati-doha.
âś… Manasitrana ireo hozatra marary:
Ho an'ireo manao fanatanjahan-tena dia tena ilaina ny café noho izy manala fanaintanan'ny hozatra.
© 𝑻𝒔𝒚 𝒉𝒊𝒕𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒕𝒚 𝒇𝒂 𝒕𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂
MBA ZARAZARAO🙏🏻