04/03/2025
Marsa - volan'i Md Josefa
Aminâny fotoana mampangetaheta anâizao tontolo izao ny endriky ny tena atao hoe «ray» â noho ny fahasahiranam-be nampitondra faisana antsika â no indro atolotrâi Papa François ho antsika ity taratasy apĂŽstĂŽlika: «Ny fon-dray» ity.
JĂŽsefa, ilay ray mpitaiza anâi Jesoa, tena fon-dray tokoa, ray tia sy tiana, be hamoram-po, mpitari-dalana,⊠Olonâny fiainana andavanandro, lavitry ny masonâny haino aman-jery, tsy tazana aminâny filatro lehibe malaza farany indrindra, miaina amim-pahanginana, amim-paharetana, amim-panantenana,⊠ary nandray anjara lehibe tokoa taminâny tantaram-pamonjena. Inona marina ny tsiambaratelonâny fon-dray?
Koa raiso Ă ry: âNy fon-drayâ fa hanampy antsika hiatrika ny fiainana, ny zava-misy sy hamakivaky ny fotoan-tsarotra amim-piadanam-po.
Ho anao indrindra no nanoratanâi Papa François: eveka, pretra, relijiozy, lahika: raim-pianakaviana, renim-pianakaviana, mpanabe, mpitarika, mpikatroka aminâny sehatra isan-karazany, tanora,âŠ
Vidiny: 6000 ar
HO HITANAO AO AMIN'NY LIBRAIRIE MD PAOLY SY NY LIBRAIRIE KATOLIKA MANERANA NY NOSY