20/01/2020
FITSABOANA NY ARETIN'NY VOA "REINS", ATY, VAVONY, TSINAY,... AMIN'NY FOMBA TSOTRA SY NATORALY
Ny papaye dia voankazo anisany sakafo mahafinaritra izy io noho ny mombamomba azy, mpiara-miasa tonga lafatra ho an'ny fandevonan-kanina ary "détoxification" ny vatana.
Manankarena "fibres", "calcium", "phosphore", "fer", "papaïne", "thiamine", "niacine" ary "vitamines" mitondra otrikaina anisan'ny tsara indrindra, ny fananana sakafo mahavelona dia tsy hita isa.
Ianaro ny fampiasana sy handray soa avy amin'ny ampahany isan-karazany amin'ny voankazo sy ny voany.
Ny ankamaroantsika dia manary ny voan'ny papaya ao anaty fako, tsy fantatr'izy ireo fa misy tombony tsy tambo isaina anefa izany.
- Manatsara ny voa "Ameliore les reins"
- Manasitrana ny tsy fahombiazan'ny voa "Soigne les insuffisances rénales"
- Manadio ny aty "Purifier le foie "
- Manasitrana ny vavony "Guérir l'estomac "
- Manadio ny tsinay "Nettoie les intestins"
- "Vermifuge"
- Manohitra ny mikraoba sy katsentsitra "Contre les microbes et les parasites"
- Manatsara ny fahasalamana "Ameliore la Santé"
Isaorana Andriamanitra nametraka zava-boahary natoraly isan-karazany indrindra eto Madagasikara hanasitranana ny aretina rehetra.
FIKARAKARANA NY VOAN'NY PAPAY
- Papaye masaka iray
- Alaina hiavaka ny voany fotsiny (tsy sasana, tsy asiana na inona na inona)
- Ahahy (atapy, aely hamainina,...) amin'ny masoandro mandrapaha maina tsara
- Totoana ho potika tsara (tsy mijanona raha tsy mahazo vovoka "poudre" malemy tsara)
ZAVATRA ILAINA SY NY FATRANY
- Poudre ny papaye 1 sotrokely (1 cuillère à café)
- Ranom-boasary makirana 1 sotro fihinanana (1 cuillère à soupe de jus de citron)
- Rano matimaty (tsy mangatsiaka nefa tsy mahamay be loatra) 1 vera (1verre d'eau ambiante)
- Ranon-tantely 2 sotro kely (2 cuillères à café du miel )
FIKARAKARANA AZY
- Afangaro tsara izy rehetra
FIHINANANA AZY
- Misotro 1 vera ny maraina, tsara kokoa raha 30 minitra alohan'ny sakafo
- Misotro 1 vera ny hariva, tsara kokoa raha 30 minitra alohan'ny sakafo
FAHARETANY
- Tokony hihatsara ianao raha misotro izany isan'andro mandritra ny 7 andro
- Tsy tokony hihoatra ny 14 andro ny traitement
TSARA HO MARIHINA
- Rehefa misotro ny ranon'ny vovony Papaye ity ianao dia tsy tsara ny mivoaka alavitra ny trano
- Mazotoa misotro rano
Azafady indrindra tompoko, ry vohoakan'Andriamanitra ôôô. Namako ianao, Tiako ianao, Sitrako tokoa mba ho salama tsara ianao sy ny ankohonanao. @ olona rehetra tianao.
Aza hadino faobe rehetra fa mahasoa ny hafa koa...
__ Andriamanitra anie hitahy anao be dia be __