07/03/2022
ANIO FAHA
04 Mars 2022
1er SHA'ABAN 1443H
1er leçons Amin'ny:
NY FIFEHEZANA. (الصيام)
اللغة:"الإمساك"
Famaritana ara-bakiteny:"Ny fitazoman-tena (Imssak)
إصطلاحا:"التعبد الله بالإمساك عن المفطرات من طلوع الفجر إلى غروب الشمس
Famaritana ara-pinoana:" Izy io dia fanompoana an'i Allah izay amin'ny alalan'ny fitazoman-tena tanteraka manoloana ireo filàny hetaheta rehetra(sakafo sy zavam-pisotro ary firaisana ara-nofo) manomboka amin'ny maraina be vao mangiran-dratsy mialohany hidirany fotoany swalat fadjri ka hatra amin'ny filentehany masoandro amin'ny hariva
Miteny Allah hoe :
وكلوا واشربوا حتى يتبين لكم الحيط الأبيض من الحيط الأسود من الفجر ثم أتيموا الصيام إلى اليل. (البقرة : ١٨٧)
Ary aoka ianareo hihinana sy hisotro mandra-pahafantaranareo manavaka ny kofehy fotsy amin'ny kofehy mainty amin'ny maraina.
Hoy irak'i Allah swall'alllah anlayhi wa sallam hoe
والمراد بالحيط الأبيض و الحيط الأسود: فقال رسول الله صلى الله عليه وسلم"إنما ذالك بياض النهار وسواد الليل(في البخاري و مسلم)
Ny tiana atongavana famaizana manavaka kofehy fotsy sy amin'ny kofehy mainty dia nilaza irak'i Allah swall'alllah anlayhi wa sallam hoe:" tena marina fa izy io dia amin'ny hazavana ny andro sy amin'ny haizika ny alina
NB: Maro ireo mihevitra fa ny Ramadan dia midika fifadian-kanina hoan'ireo mpino islam, nefa ny Ramadan izany dia anarany volana amin'ny fanisana(calandrier islamique) ka amin'io volana io no nandidian'i Allah ireo mpanompony ny mba hanatanteraka fanompoana maro miaraka amin'ny fifehezan-tena tanteraka amin'ireo fahazarana rehetra na amin'ny fady izany na amin'izay nazahoana alalana hatao ary fanazaran-tena ihany koa amin'ireo karazam-panompoana rehetra izay no didiany amin'ireo mpino andavan'andro ny fiainan'izy ireo miaraka amin'ny fanandratana ny hinakik'i Allah sy ny hasoavany.
Mbola hitohy incha'Allah koa araho hatrany ary partage-o hoan'ny hafa ......