24/04/2025
TE-HATANJAKA ARA-TSAINA💥 N°01
🔺Ny fahatanjahana ara-tsaina (mental resilience) amin'ny fiainana andavanandro sy amin'ny fotoana sarotra. Ireto misy torohevitra hanampy anao hanao coaching momba izany amin'ny fomba tsotra, manan-danja ary misy hery:
✅ Inona ilay “fahatanjahana ara-tsaina”
Ny fahafahana miarina, mijoro, ary manohy, na dia eo aza ny fianjerana.”
👉Tsy midika hoe tsy mitomany na tsy kivy, fa mahavita miatrika sy mifindra amin’ny dingana manaraka.
✅Ny antony mety hanimba ny fahatanjahana ara-tsaina dia
👉Ny Tsindry avy any ivelany: fianakaviana, asa, fiaraha-monina.
👉Fiteny manimba tena: "Tsy mahavita aho", "Izaho foana koa no diso ".
👉Ny fahazaran- dratsy: Mandositra olana, tsy mitady fanohanana.
✅Teknika tsotra hanamafisana saina
👉Fanovàna fomba fisaina (reframing): miova avy amin’ny hoe “Tsy mahay aho” fa “Hianatra aho”.
👉Manao fanazaran-tena ara-tsaina: Toy ny fanoratana diary, fierenam-panahy , fisaorana( Gratitude).
👉Fahafantarana sy fanekena ny fihetseham-po: Tsy manimba ny mitomany, fa manasitrana.
✅Mitady mahery fo ara-tantara ( Ny ahy izao Xena La Guerriere).
👉Mety hanampy be ny tantara manokana na tantaran’olona hafa izay niatrika zava-tsarotra nefa mbola mijoro sy mamirapiratra.
💯"Ny fanahy matanjaka dia toy ny hozatra , rehefa zatra manao fanazaran-tena dia lasa malefaka .
✅Mitadiava Hery Manosika( Motivation)
👉Rehefa tsy azonao ovaina ny toe-javatra iray dia ovay ny fandraisanao azy.”
👉Ny olana dia tsy fiafaran’ny tantaranao—fa fizarana iray fotsiny ao anaty Episode .
✔️✔️✔️Omeko eo ny Mantras ataonao rahampitso fa saintsaino aloha io dia zarazarao fa mahasoa ny hafa 🙏??🙏