01/06/2026
vakio hatraminy farany
BISMILLAHIR-RAHMANIR-RAHIM !
Hafatra : “Alohan’ny hitady vady tsara, miezaha aloha ho olona tsara.”
◾️Maro ny olona no mitady vady mendrika, tsara fitondran-tena, matahotra an’i Allah, mahalala manaja sy tia. Kanefa indraindray hadinontsika ny manontany tena hoe: “Izaho ve efa olona mendrika hotadiavin’olona tsara koa?”
◾️Raha mila vady matahotra an’i Allah ianao, dia atombohy amin’ny fanatsarana ny fifandraisanao amin’i Allah.
Raha mila vady mahatoky ianao, dia mianara tsy mamadika fitokisana.
Raha mila vady malemy fanahy ianao, dia ajanony ny teny mandratra sy ny fireharehana.
◾️Satria ny olona tsara dia tsy voasariky ny hatsarana ivelany fotsiny, fa voasariky ny fahadiovan’ny fo, ny fitondran-tena mendrika tsara, ary ny fahamatorana.
◾️Indraindray Allah mampiandry antsika, tsy satria tsy mendrika hanambady isika, fa satria mbola amboariny ho tonga olona mendrika ny fitahiany isika.
💙Koa aza maika hitady olona hanova ny fiainanao… fa ovao aloha ny tenanao, dia Allah no hitondra olona mendrika hiditra amin’ny fiainanao amin’ny fotoana tsara indrindra.
_______________________
Zarao mba hahazoany hafa tombotsoa ihany koa, Allah anie hamaly soa betsaka ho anao ary hamaly ny Atakanao rehetra incha'Allah 🤲 🥰
✍️Moustafa Al-Mahdi Officiel