05/05/2026
Mora kely Aminareo ilay mampiakatra frais 800ar @ ity Bus miodina an-dalana erak'Antaninarivo!
Ny frais hampiakarina 800ar anefa ny Bus dia miodina an-dalana isan'andro isan'andro , tsy maraina , tsy atoandro, tsy hariva , tsy mba tonga any @ farany izany.
Sady izay Olona tsy mahalala fomba no tsy manaja Olona.
Seza hipetrahana efa simba ohatran'y inona , tsy amboarina izany.
Ny Polisy moa efa tsetseman'Zareo vola dia tsy miteny mahita ny ataony.
Maka Olona @ arret tsy mba mijanona tsara, fa sady maka Olona no mandeha .
Rehefa mifanenjika Zareo mandeha mafy otran'inona , fa rehefa tsy misy hifanenjehana na hatsasakadiny aza eo foana @ arret iray.
Toerana iray tokony Bus indray mandeha ihany lasa efa andehanana sy hifindrana Bus ampiry sy frais ohatrinona??
RahaTena misy marina ny fanaraha-maso sy fandrasaina andraikitra dia tsy tokony otrizany ny fomba fiasa.
Fa mampalaelo ihany ilay Toe-tsaina otrizany.
Alefako eto mitsy ity mba ho hitan'izay tokony hahita Azy!
𝗧𝗢𝗞𝗢𝗡𝗬 𝗛𝗢 𝟴𝟬𝟬 𝗔𝗥 𝗡𝗬 𝗦𝗔𝗥𝗔𝗡-𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗔𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗥𝗜𝗩𝗢 𝗛𝗢𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡𝗞𝗜𝗡𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗧𝗔𝗧𝗜𝗧𝗥𝗔
🚨Tokony ho 800 Ar ny saran-dàlan'ny fiara fitateram-bahoaka eto andrenivohitra raha ny fanambarana nataon'ireo mpitatitra mivondrona ao amin'ny firaisankinan'ny mpitatitra.
✅Ny antony dia noho ny vidin-tsolika amin'izao fotoana izay niakatra, saingy hiandry ny vérité de prix amin'ny solika VAO hamaritra ny saran-dàlana tena izy ireo, raha ny fanambarany hatrany.
© Seheno Ramanantsoa