18/02/2026
‼️ZAZA SEMPOTRA ‼️
Ity no aretina anisan'ny manahirana eo amin'ny zaza , ny 90% an'ny zaza dia voa avokoa indrindra fa eto Antananarivo fa misy ny atao hoe cas grave dia misy ny tsia, araky ny fahamalinan'ny Ray aman-dreny ihany.
Ireto no arahina raha tratran'ny kohaka sy sery ny zaza iray :
- Raha voan'ny sery ny Mpikarakara dia manaova arovava
- Mila diovina ny toerana manodidina ny zaza ( lamba = soloina matetika, ny trano : fafana isan'andro) tsy ampiana zavatra miangonangona ka hatohorana hamoaka fofona.
-Tsy azo hoentina mivoaka foana indrindra Eny amin'ny misy setroka sns..
-Ny setroka dia halavirina zazakely (sigara, charbon,...)
- Ny trano aérer na foana dia atao tratran'ny masoandro tsara ny ao anatiny
-Raha misy fahafahana na fotoana dia mba hoentina maka rivotra madio izy na Eny amoron-dranomasina
👉Fa indrindra
- Fanadiovana ny orona :alohan'ny hisakafo, alohan'ny hampatoriana, rehefa jenjina
- Ny fanaovana ny Evoka ranon-tsira
- Atao avo hatrany ny ondan'ny zaza dia ahorirana hatrany izy
📍 Tsy tokony tratran'ny fahasoavana ny zaza iray raha vitanao ireo rehetra ireo
Mirary soa antsika rehetra ❤️