Tix Store

Tix Store 𝑃𝑒𝑗𝑦 𝑛𝑎𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑘𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎 𝑡𝑒𝑛𝑎 𝑛𝑖𝑠𝑦 .

👰💒 𝗠𝗮𝗿𝗶𝗮𝘇𝘆 𝗵𝗮𝗳𝗮𝗸𝗲𝗹𝘆 , 𝗻𝗶𝘀𝗮𝗳𝗶𝗱𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗶 𝗦𝗵𝗿𝗲𝗸 𝘀𝘆 𝗙𝗶𝗼𝗻𝗮 𝗶𝘇𝘆 𝗺𝗶𝘃𝗮𝗱𝘆 , 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗼𝗻𝘁𝗿𝗼𝗻𝗮 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗴𝗮𝘁𝗮𝗵...
02/06/2026

👰💒 𝗠𝗮𝗿𝗶𝗮𝘇𝘆 𝗵𝗮𝗳𝗮𝗸𝗲𝗹𝘆 , 𝗻𝗶𝘀𝗮𝗳𝗶𝗱𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗶 𝗦𝗵𝗿𝗲𝗸 𝘀𝘆 𝗙𝗶𝗼𝗻𝗮 𝗶𝘇𝘆 𝗺𝗶𝘃𝗮𝗱𝘆 , 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗼𝗻𝘁𝗿𝗼𝗻𝗮 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗴𝗮𝘁𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗼 𝘁𝗼𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗮𝘁𝘆 𝗱𝗲𝘀𝘀𝗶𝗻 𝗮𝗻𝗶𝗺𝗲́ 𝗶𝗿𝗲𝗻𝘆 , 𝗶 𝗠𝗼𝗻𝘀𝗶𝗲𝘂𝗿 𝗕𝗶𝘀𝗰𝘂𝗶𝘁 𝘁𝗲𝘁𝗼 𝗻𝗼 𝘃𝗮𝘃𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗲𝗹𝗼𝗻𝗮 .

👉 𝐼𝑡𝑦 𝑃𝑒𝑗𝑦 𝑖𝑡𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑘𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎 , 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑓𝑖𝑛𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑧𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑎𝑑𝑖𝑛𝑜 𝑚𝑖-𝑠𝑢𝑖𝑣𝑟𝑒 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑖𝑠𝑦 𝑟𝑒́𝑎𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 .

🏴󠁧󠁢󠁥󠁮󠁧󠁿 Mpifankatia efa 8 taona niarahana i Amanda sy Nathan Gibbs no izao niroso tamin’ny fanambadiana izao . Izay notanterahina tamin’ny 21 Desambra 2013 ,tao West Midlands , Angleterre . Hafakely satria dia nisafidy ny hitovy tanteraka amin’i Shrek sy Fiona izy mivady ireto , na ny vavolombelona na ny mpanontrona dia niakanjo toy ireny mpilalao anaty sarimiaina ireny avokoa .

🧚 Naharitra adin’ny 3 ora ny fanaovana ny maquillage-n’izy mivady ireto , ary mpanao maquillage tena efa matihanina no nanao azy . I Monsieur Biscuit tamin’ny Toy Story no nanao vavolombelona . Hita tao ihany koa i Blanche-Neige, Fée Clochette sy iry zareo pirates .

♥️ Hafakely ny azy ny tsodrano satria dia nangataka izy mivady ny mba andefasana ireo vola saika hividianana fanomezana ho an’ilay fikambanana miady amin’ny homamiadana (𝐶𝑎𝑛𝑐𝑒𝑟 𝑅𝑒𝑠𝑒𝑎𝑟𝑐ℎ 𝑈𝐾) , ny antony izany moa dia efa maro ireo naman’izy mivady no matin’ny homamiadana ka te hiady amin’io aretina io izy roa .

🌏 𝗡𝘆 𝗣𝗲𝗷𝘆 : Tix Store & Tsy maintsy tafita aho

🧹😈 𝗜𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼 𝘃𝗲 𝗲𝗳𝗮 𝗻𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗻𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗼𝘀𝗮𝘃𝘆 𝗻𝗮 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗼𝘀𝗮𝘃𝘆 ? 𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗮𝘆 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗺𝗽𝗼𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼𝗻𝗮𝘆 𝗺𝗶𝗵𝗶...
01/06/2026

🧹😈 𝗜𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼 𝘃𝗲 𝗲𝗳𝗮 𝗻𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗻𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗼𝘀𝗮𝘃𝘆 𝗻𝗮 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗼𝘀𝗮𝘃𝘆 ? 𝗡𝘆 𝗮𝗻𝗮𝘆 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗺𝗽𝗼𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼𝗻𝗮𝘆 𝗺𝗶𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆 𝗻𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗼𝘀𝗮𝘃𝘆 .

👉 𝐼𝑡𝑦 𝑃𝑒𝑗𝑦 𝑖𝑡𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑘𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎 , 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑓𝑖𝑛𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑧𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑎𝑑𝑖𝑛𝑜 𝑚𝑖-𝑠𝑢𝑖𝑣𝑟𝑒 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑖𝑠𝑦 𝑟𝑒́𝑎𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 .

🇲🇬 Tao Fianarantsoa no niseho ny tantara , tany amin’ny taona 2003 tany , 9 taona aho tamin’izany ary zokiko kosa 10 taona . Tao amin’ilay ramatoa maty vady malaza ho mpamosavy izahay no nanofa trano , tena tsara sady en sécurité ilay izy ka tsy norarahinay izay resakin’ny olona .

🪣 Ny mahagaga nefa dia rehefa manary pô ilay ramatoa dia eo am-baravarakely , eo ihany izy no manipy azy dia miparitaka eo an-tokontany . Indray andro , vaky ny vilia anay dia nataon’i Neny hariana any ivelan’ny tamboho . Tsy nahafantatra nefa izahay fa kay toerana misy ny fasam-badin’ilay ramatoa ny tao , takona lobolobo dia tsy hita .

😨 Ny alina amin’izay , tany amin’ny misasak’alina tany dia nisy ohatran’ny olona fotsy be nanantona izahay sy ny zokiko , mitsikitsiky be izy manantona anay , tena natahotra , nikiakiaka mafy toy ny manao crise izahay ny zokiko dia tonga i Neny . I dada tsy tao fa nanao mission ,nikoropaka niantso ny mpiara-monina i Neny satria vao manantona anay hono dia badenina ny lohany .

😈 Tonga ny olona , i Neny tonga dia verivery saina , izahay nobatain’olona niova efitrano , izay avy mibata anay nefa toa verivery saina zany ihany koa . Nisy ramatoa izay tonga dia niakatra tao ambony tao , tao amin’ilay tompotrano , rehefa niverina avy any izy dia tonga saina daholo ny rehetra , hay toy izany daholo no mahazo ny mpanofatrano ao . Noentina dokotera izahay ny alin’iny fa tsy nahitana na inona na inona .

🧳 Ny ampitso tonga dia nifindra trano izahay , teo vao fantatray fa izahay ilay manao crise alina iny kay dia ilay ramatoa mandihy be ao ambony ao . Ramatoa tsara volo be izay no mpanofa nandimby anay tao , fa henonay hoe niala tao ihany koa fa lasa sola loha tsy ny nety naniry intsony ny volony . Taona maromaro taty aorina dia maty ihany ilay ramatoa mpamosavy , toa hoe latsaka tao amin’ilay WC izy , sady maty no mihosona ….

🌏 𝗡𝘆 𝗣𝗲𝗷𝘆 : Tix Store & Tsy maintsy tafita aho



29/05/2026

😨💀 𝐈𝐳𝐲 𝐧𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐨𝐧𝐨 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 , 𝐯𝐚𝐨 𝟖 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐧𝐣𝐚 𝐢𝐳𝐲 𝐝𝐢𝐚 𝐞𝐟𝐚 𝐧𝐚𝐦𝐨𝐧𝐨 𝐳𝐚𝐳𝐚 𝐦𝐢𝐢𝐬𝐚 𝐭𝐞𝐥𝐨 , 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐧𝐲 𝐡𝐨𝐞 𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐟𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐟𝐢𝐧𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐬𝐢𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 , 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐲 𝐦𝐚𝐦𝐨𝐧𝐨 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐲 𝐝𝐢𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐟𝐞𝐧𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐯𝐢𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐳𝐚𝐯𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧𝐲 .

👉 𝐼𝑡𝑦 𝑃𝑒𝑗𝑦 𝑖𝑡𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑘𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎 , 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑓𝑖𝑛𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑧𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑎𝑑𝑖𝑛𝑜 𝑚𝑖-𝑠𝑢𝑖𝑣𝑟𝑒 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑖𝑠𝑦 𝑟𝑒́𝑎𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 .

🇮🇳 I Amarjeet Sada dia teraka tamin’ny 1998 tany Inde , mampalahelo fa dia izy aloha hatreto no mpamono olona zandriny indrindra. Efa zaza 3 zay no fantatra novonoiny , ary latsakin’ny heritaona avokoa , tsy misy antony mazava fa tiany fotsiny ilay mamono olona .

🗓️ Tamin’ny 2006 izy no namono olona voalohany , ny cousine-ny vao enim-bolana ihany no nasiany . Rehefa variana ny renin’ilay zaza dia nalainy ary noentiny tany anaty lobolobo . Velesiny aloha ilay zaza , dia kendainy , kapohany amin’ny vato , ary aleviny anaty bozaka (lobolobo) avy eo . Tonga dia nolazainy ny reniny ny zava-bitany , saingy nafenin’ny fianakaviana ny raharaha sao migadra izy .

👶 Tamin’io taona io ihany , ny anabaviny vao 8 volana monja no novonoiny , natao nijerijery ilay zaza izy fa nanao zavatra ny reniny . Raha mbola natory ilay zaza dia nokendainy , tonga ilay reniny hanome nono , indrisy fa efa zaza maty no novantaniny . Rehefa nanotaniana izy dia nanaiky mora . Mbola nafenin’ny fianakaviana ihany mo ity raharaha ity .

👮‍♂️ Ny taona 2007 nefa mbola namerina ihany, zazakely 8 volana, tsy havany fa mpiara-monina . Nampatorin’ilay reniny tao an-trano ilay zaza , ary nivoaka vetivety izy , rehefa niverina dia tsy nahita ilay zaza intsony , tonga dia izy no nanotanin’olona , tsy nisalasala izy nilaza fa nalainy ny zaza , dia noentiny lavitra , ary nokapohiny tamin’ny vato dia naleviny .

⚖️ Izy mihitsy no nitarika ny vahoaka sy ny polisy tany amin’ilay toerana nandevenany ilay zazakely . Natao fanadihadihana izy , rehefa hanotaniana izy dia mangataka biscuit , avy eo mibaradaka ny zava-bitany rehetra . Rehefa nozahana izy dia hita fa tsy salama saina , misy fikorontanana ara-tsaina . Tsy nogadraina izy fa nalefa tany amin’ny fanarenana zaza tsy ampy taona ary tamin’ny 2016 no nivoaka . Novaina ny anarany sy ny momba azy rehetra rehefa nivoaka izy , ary tsy misy mahalala intsony hoe aiza izy amin’izao .

🌍 𝗡𝘆 𝗣𝗲𝗷𝘆 : Tix Store & Tsy maintsy tafita aho

😱💀 𝗥𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗮𝘁𝗮𝗵𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗽𝗼𝗸𝗮 𝗮𝗵𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝘇𝗮𝘃𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮 𝘇𝗮𝘆 , 𝗺𝗮𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮 𝘇𝗮𝘃𝗮-𝗱𝗼𝘇𝗮 . 𝗡𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝟮𝟬𝟭𝟭 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝗶𝗱𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗔𝗻𝘁𝘀𝗶...
28/05/2026

😱💀 𝗥𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗮𝘁𝗮𝗵𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗽𝗼𝗸𝗮 𝗮𝗵𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝘇𝗮𝘃𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮 𝘇𝗮𝘆 , 𝗺𝗮𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮 𝘇𝗮𝘃𝗮-𝗱𝗼𝘇𝗮 . 𝗡𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝟮𝟬𝟭𝟭 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝗶𝗱𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗔𝗻𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗯𝗲 𝗶𝘇𝗮𝗵𝗮𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘃𝘆 , 𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗻𝗼 𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗵𝗮𝗳𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻𝘆 , 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗵𝘆 𝘁𝗮𝘁𝘆 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗶𝘇𝘆 .

👉 𝐼𝑡𝑦 𝑃𝑒𝑗𝑦 𝑖𝑡𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑘𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎 , 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑓𝑖𝑛𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑧𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑎𝑑𝑖𝑛𝑜 𝑚𝑖-𝑠𝑢𝑖𝑣𝑟𝑒 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑖𝑠𝑦 𝑟𝑒́𝑎𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 .

📆 Ny taona 2011 no nitrangan'ny tantara , nipetraka tany Antsirabe elaela kely izahay fa taty Antananarivo no tena mipetraka (Avy any izahay) . Ny ray aman-drenin’ny vadiko no nipetrahanay tany . Indray sabotsy zay , rehefa avy namangy ny ray aman-dreniko aho dia tratra hariva ka nandeha cyclo-pousse . Izaho irery no teny ambony pousse , ary tena miresaka izahay sy ilay mpitondra azy teny andalana .

👻 Tampoka teo nefa , toa nisy zavatra nanitsy tampoka izany teo alohany . Aloka somary fotsiny , toy ny olona miazakazaka manidina izany , toy ny hoe mandeha mafy mitsofoka ao amin’ilay trano haolo akaiky eo . Tonga dia nijanona ilay mpitarika pousse , samy taitra izahay , izy no nanotany ahy voalohany , hitanao ve ilay izy teo ? hoy izy mantsy ahy . Nanaiky moramora aho no sady nangovitra , ilay toerana amin’io tena mangina , ary tsy misy trano manodidina .

👇 𝗔𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗰𝗼𝗺𝗺𝗲𝗻𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗵𝗶𝗻𝘆

❌ Tsy azo hanoratana ny commentaire principale fa répondre ihany .

❌ Aoka tsy hanonona ny anaran’ny hopitaly izay mahalala azy .

🌏 𝗡𝘆 𝗣𝗲𝗷𝘆 : Tix Store & Tsy maintsy tafita aho

😨 𝗜𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝘃𝗲 𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗮𝘁𝗮𝗵𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗽𝗼𝗸𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗱𝗶𝗮 𝗵𝗶𝘀𝘆 𝘇𝗮𝘃𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗶𝘀𝗲𝗵𝗼 𝘇𝗮𝘆 𝗮𝗼 ?👉 Toy izany koa i D , rehefa matah...
26/05/2026

😨 𝗜𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝘃𝗲 𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗮𝘁𝗮𝗵𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗽𝗼𝗸𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗱𝗶𝗮 𝗵𝗶𝘀𝘆 𝘇𝗮𝘃𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗶𝘀𝗲𝗵𝗼 𝘇𝗮𝘆 𝗮𝗼 ?

👉 Toy izany koa i D , rehefa matahotra tampoka izy dia misy zava-doza hitranga , na fahoriana aza dia tsapany mialoha . Nitrangana tranga hafahafa ihany ko izy tao amin'ny hopitaly .... Ka hotantarainy ao daholo izany .

🕖 Rahampitso eto amin'ny Pejy no andefasana ny tantarany (𝑖 𝐷 𝑑𝑖𝑎 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑝𝑒𝑗𝑦 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑛𝑎𝑛𝑑𝑒𝑓𝑎 𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎𝑛𝑦 𝑚𝑏𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑙𝑒𝑓𝑎).

📷 Sary : IA

🌍 Ny Pejy : Tsy maintsy tafita aho & Tix Store

✝️😱 𝗡𝗼𝘃𝗼𝗻𝗼𝗶𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗮𝗻-𝗷𝗮𝗻𝗮𝗻𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗻𝗶𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗼 𝗵𝗮𝗻𝗼𝘁𝗮 𝗸𝗮 𝗹𝗮𝙨a 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗳𝗼𝗯𝗲 , 𝗶𝘇𝘆 𝗸𝗼𝘀𝗮 𝗹𝗮𝘀𝗮 𝗻𝗶𝘁𝘀𝗼𝗮𝗸𝗮 , 𝗻𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗱𝘆...
26/05/2026

✝️😱 𝗡𝗼𝘃𝗼𝗻𝗼𝗶𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗮𝗻-𝗷𝗮𝗻𝗮𝗻𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗻𝗶𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗼 𝗵𝗮𝗻𝗼𝘁𝗮 𝗸𝗮 𝗹𝗮𝙨a 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗳𝗼𝗯𝗲 , 𝗶𝘇𝘆 𝗸𝗼𝘀𝗮 𝗹𝗮𝘀𝗮 𝗻𝗶𝘁𝘀𝗼𝗮𝗸𝗮 , 𝗻𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗱𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗻-𝗸𝗮𝗳𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝟭𝟴 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝘁𝗮𝘁𝘆 𝗮𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝘃𝗮𝗼 𝘁𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮 .

👉 𝐼𝑡𝑦 𝑃𝑒𝑗𝑦 𝑖𝑡𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑘𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎 , 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑓𝑖𝑛𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑧𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑎𝑑𝑖𝑛𝑜 𝑚𝑖-𝑠𝑢𝑖𝑣𝑟𝑒 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑖𝑠𝑦 𝑟𝑒́𝑎𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 .

🇺🇸 Ity no tantaran’i John LIST , ilay lehilahy Amerikanina namono ny reniny sy ireo vady aman-janany . Ny 9 Novambra 1971 izy no namono nahafaty ireo ankohonany , ny vadiny no novonoiny mialoha ary avy eo vao nasesiny ny reniny sy ireo zanany (16 , 15 , ary 13 taona) . Nalahany tao anaty sac de couchage tao amin’ny salon daholo ireo razana .

✂️ Nofafany daholo izay momba azy rehetra , nalany tao anaty album daholo ny sariny mba tsy ahitan’ny polisy azy , ny tsy fantany nefa fa ireo havany dia misy manana ny sariny . Nanoratra taratasy 5 pejy hoan’i pasitera izy manambara fa lasa mahantra izy satria very asa , ka sao hampanota ireto ankohonany ny tsy fanana dia novonoiny mialoha , sao very any amin’ny afobe .

💡 Iray volana teo ny manodidina no nahatsikaritra ireo jiro maty tsikelikely ka nanaitra ny polisy , tonga ny polisy ka ireo razana efa simba no novantaniny . Tany amin’ny seranam-piaramanidina no nahitana ny fiaran’i John , izy efa tsy hita intsony .

🪪 Nanova anarana i John ka lasa hoe Robert Clark , nahita asa ho comptable izy ny taona 1972, ary nanambady izy tamin’ny 1985 . Tamin’ny 21 Mai 1989 nefa dia naverin’ilay fandaharana 𝐴𝘮𝑒𝘳𝑖𝘤𝑎'𝑠 𝑀𝘰𝑠𝘵 𝘞𝑎𝘯𝑡𝘦𝑑 ny momba azy , ary nalefa teo ny sariny , sy ny mety ho endriny rehefa antitra izy .

👮‍♂️ Hitan’ilay ramatoa mpiray vodirindrana fa ilay rangahy vao nifindra 3 andro io olona io . Nosamborina i John , ary tsy nanaiky hatramin’ny farany ny maha John List azy izy , saingy ny empreintes digitales no tsy azony nialana . Voaheloka higadra mandrapahafaty izy ary matin’ny pneumonie ny taona 2008 .

🎬 Maromaro ireo sarimihetsika mitantara ny momba azy , jereo ao amin’ny sary ireo affiche .

🌏 Ny Pejy : Tix Store & Tsy maintsy tafita aho

😅 Iza ilay namanao tia loko maitsomaitso be iny  ?☘️🧝‍♂️ 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗳𝗮𝘁𝘀𝘆 𝗹𝗼𝗸𝗼 𝗺𝗮𝗶𝘁𝘀𝗼 𝗶𝘇𝘆 , 𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗸𝗮𝗻𝗷𝗼 ...
26/05/2026

😅 Iza ilay namanao tia loko maitsomaitso be iny ?

☘️🧝‍♂️ 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗳𝗮𝘁𝘀𝘆 𝗹𝗼𝗸𝗼 𝗺𝗮𝗶𝘁𝘀𝗼 𝗶𝘇𝘆 , 𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗸𝗮𝗻𝗷𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗮𝗶𝘁𝘀𝗼 𝗮𝘃𝗼𝗸𝗼𝗮 , 𝗲𝗳𝗮 𝟮𝟱 𝗶𝘇𝘆 𝘇𝗮𝗼 𝗻𝗼 𝗻𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝘆 𝗹𝗼𝗸𝗼 𝗺𝗮𝗶𝘁𝘀𝗼 𝗮𝗿𝘆 tsy 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗹𝗼𝗸𝗼 𝗵𝗮𝗳𝗮 𝗶𝗻𝘁𝘀𝗼𝗻𝘆 .

👉 𝐼𝑡𝑦 𝑃𝑒𝑗𝑦 𝑖𝑡𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑘𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎 , 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑓𝑖𝑛𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑧𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑎𝑑𝑖𝑛𝑜 𝑚𝑖-𝑠𝑢𝑖𝑣𝑟𝑒 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑖𝑠𝑦 𝑟𝑒́𝑎𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 .

🇺🇸 Ao Brooklyn , New York , USA no misy an’i Elizabeth Sweetheart , antsoin’ny olona amin’ny anarambositra hoe " 𝑇ℎ𝑒 𝐺𝑟𝑒𝑒𝑛 𝐿𝑎𝑑𝑦 𝑜𝑓 𝐵𝑟𝑜𝑜𝑘𝑙𝑦𝑛 " (Ilay vehivavy maitson’i Brooklyn) . Efa 25 taona mahery zao no niainany tao anaty loko maitso, tsy mampiasa loko hafa izy fa dia ny maitso ihany .

🌳 Ny varavarana , ny haingotrano , ny kojakoja rehetra dia maitso avokoa , aminy ny loko maitso dia midika fanasitranana , mitondra hafaliana ary miteraka fanantenana . Efa manenika ny faha-86 taonany izy ankehitriny ary manambady aman-janaka .

🌏 𝗡𝘆 𝗣𝗲𝗷𝘆 : Tix Store & Tsy maintsy tafita aho

✊❤️‍🔥 𝗧𝗮𝗺𝗶𝗻-𝗸𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻’𝗶𝘇𝘆 𝗺𝗶𝘃𝗮𝗱𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗶𝗱𝗶𝗺-𝗽𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘇𝘆 , 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗿𝗮 𝗳𝗮 𝗴𝗮𝗱𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗽𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝘆...
26/05/2026

✊❤️‍🔥 𝗧𝗮𝗺𝗶𝗻-𝗸𝗮𝗳𝗮𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻’𝗶𝘇𝘆 𝗺𝗶𝘃𝗮𝗱𝘆 𝗻𝘆 𝗱𝗶𝗱𝗶𝗺-𝗽𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘇𝘆 , 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗿𝗮 𝗳𝗮 𝗴𝗮𝗱𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗽𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝘆 𝗻𝗼 𝗮𝘇𝗼𝗻𝘆 . 𝗙𝗮𝗹𝘆 𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗮 𝗺𝗮𝘁𝗶𝗻𝘆 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗼𝗹𝗮𝗻-𝗷𝗮𝘇𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗮̀𝗻𝗮 .

👉 𝐼𝑡𝑦 𝑃𝑒𝑗𝑦 𝑖𝑡𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑘𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎 , 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑓𝑖𝑛𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑧𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑎𝑑𝑖𝑛𝑜 𝑚𝑖-𝑠𝑢𝑖𝑣𝑟𝑒 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑖𝑠𝑦 𝑟𝑒́𝑎𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 .

🇺🇸 I Charles Parker dia lehilahy malaza nohon’ny fanolanan-jaza , efa nigadra izy taloha saingy nivoaka ny fonja taty aorina . Mbola misy siosion-dresaka nefa milaza fa mbola manohy ny asa-ratsiny iany izy .

🕴️ Jeremy sy Christine Moody kosa dia mpivady , mpikambana ao amin’ny vondrona Crew 41, izay manana tanjona ny hanadio ny tanàna , mamono ireo mpanolana sy mpamono olona . Ny fanaon’io fikambanana io dia mijery ny rezistra eny anivon’ny polisy , ka mijery ireo mpanolana efa nahazo fahafahana , ka mamono azy .

💀 I Charles Parker no hitan’izy mivady tao ka io no olona voalohany hovonoiny . Mody nandalo teo an-tokontaniny i Jeremy mivady , nanokatra capeaux i Jeremy , sahalan’ny hoe simba ny fiara , vao nanantona nefa i Charles dia nambanany ny basy sady nasesiny niditra tany an-trano. Notifirin’i Jeremy izy mivady , ary i Christine no nanapaka ny tendany tamin’ny antsy .

🚔 Vita ny famonoana dia lasa izy roa nody , ny fianakaviana no nanaitra ny polisy rehefa tsy nahare vaovao avy tamin’iry Charles efa ho iray volana . Natao ny fanadihadiana , ary fantatra fa ny fiaran’i Jeremy no nihaodihaody teny . Nosamborina izy mivady ary niaiky ny zava-bitana .

⚖️ Gadra mandrapahafaty no sazy azon’izy mivady , tamin-kafaliana nefa no nandraisany azy . I Jeremy dia mbola nivazavaza hoe : « 𝑅𝘢ℎ𝘢 𝘮𝑏𝘰𝑙𝘢 𝘢𝑧𝘰𝑘𝘰 𝘯𝑎𝘵𝑎𝘰 𝘥𝑖𝘢 𝘮𝑏𝘰𝑙𝘢 𝘯𝑎𝘮𝑜𝘯𝑜 𝑚𝘱𝑎𝘯𝑜𝘭𝑎𝘯𝑎 𝑚𝘢𝑟𝘰 𝘢ℎ𝘰» . I Christine sady nitsikitsiky nilaza ny mpanao gazety hoe : « 𝑇𝘴𝑦 𝑛𝘢𝑛𝘦𝑛𝘪𝑛𝘢 𝘢ℎ𝘰 , 𝘯𝑦 𝑎𝘯𝑑𝘳𝑜 𝑡𝘴𝑎𝘳𝑎 𝑖𝘯𝑑𝘳𝑖𝘯𝑑𝘳𝑎 𝑡𝘢𝑚𝘪𝑛’𝑛𝘺 𝘧𝑖𝘢𝑖𝘯𝑎𝘬𝑜 𝑑𝘪𝑎 𝑛𝘺 𝘯𝑎𝘯𝑎𝘱𝑎𝘩𝑎𝘬𝑜 𝑛𝘺 𝘵𝑒𝘯𝑑𝘢𝑛’𝑖𝘰 𝘮𝑝𝘢𝑛𝘰𝑙𝘢𝑛𝘢 𝘪𝑜 » .

⁉️ Ahoana ny hevitrao ?

🌏 Ny Pejy : Tix Store & Tsy maintsy tafita aho

💔🗡️ 𝗠𝗮𝘁𝘆 𝗻𝗼𝘃𝗼𝗻𝗼𝗶𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗱𝗶𝗻𝘆 , 𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗮𝗻𝘆 𝟰 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗶𝗸𝗮𝗻𝘆 𝟮 , 𝘀𝗮𝘁𝗿𝗶𝗮 𝗯𝗮𝗻𝗸𝗶𝗿𝗼𝗽𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘇𝘆 ,𝗸𝗮 𝘁𝗲 𝗵𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗳𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 . 𝗜𝘁𝘆...
25/05/2026

💔🗡️ 𝗠𝗮𝘁𝘆 𝗻𝗼𝘃𝗼𝗻𝗼𝗶𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗱𝗶𝗻𝘆 , 𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗮𝗻𝘆 𝟰 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗶𝗸𝗮𝗻𝘆 𝟮 , 𝘀𝗮𝘁𝗿𝗶𝗮 𝗯𝗮𝗻𝗸𝗶𝗿𝗼𝗽𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘇𝘆 ,𝗸𝗮 𝘁𝗲 𝗵𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗳𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 . 𝗜𝘁𝘆 𝗻𝗼 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻’𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘃𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗗𝘂𝗽𝗼𝗻𝘁 𝗱𝗲 𝗟𝗶𝗴𝗼𝗻𝗻𝗲̀𝘀 , 𝗻𝗼𝘃𝗼𝗻𝗼𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝗮𝗹𝗲𝘃𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗱𝗶𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻-𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 .

👉 𝐼𝑡𝑦 𝑃𝑒𝑗𝑦 𝑖𝑡𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑘𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎 , 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑓𝑖𝑛𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑧𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑎𝑑𝑖𝑛𝑜 𝑚𝑖-𝑠𝑢𝑖𝑣𝑟𝑒 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑖𝑠𝑦 𝑟𝑒́𝑎𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 .

🇫🇷 Xavier Dupont de Ligonnès dia raim-pianakaviana tena nanana ny maha izy azy . Taty aorina nefa dia nitotongana ny fananany , tsy nety avokoa izay natao rehetra . Ny orinasany di lasa bankiropitra , ary tsy voaloha intsony ny trosan’olona . Ny vadiny dia nanana lova mitentina 400.000€ ary laniny tamin’ny loka sy vehivavy , ny vadikeliny ihany koa dia nanana tahiry 50.000€ ary nohaniny ihany koa , ary tsy voasolony .

🫩 Menatra amin’ny rehetra i Xavier , satria izy dia avy amin’ny fianakaviana manankarena no lasa mahantra . Te hanorina fiainam-baovao izy ka ny vahaolana hitany dia ny famonoana ny ankohonany ,ny vadiny sy ireo zanany 4 ary ny alikany miisa roa . Nandritran’ny efa-bolana no nanomanany an’ity zava-doza ity .

🕴️ Ny desambra 2010 dia namidin’i Xavier ilay fiara kely nolovainy tamin’ny rainy ka nividianany basy silencieuse . Ny febroary 2011 dia nanomboka nianatra nitifitra izy ary niditra tamin’ny klioban’ny tia basy mihitsy . Ny Martsa 2011 izy no nividy chaux , ciment , sachet plastika ary angady .

💀 Ny 3 Aprily 2O11 dia nasainy nisakafo tany amin’ny restaurant ny vadiny sy ny zanany 3 , ary novoiny ny alin’io . Nomeny zava-mahadomelona ka rehefa tafatory dia notifiriny tsirairay . Ny alikany dia notifiriny teo amin’ny lohany tsirairay avy . Ny 4 Aprily dia nantsoiny tany an-tsekoly ilay zanany iray tsy maty , nasainy tany amin’ny restaurant , ary ny 5 Aprily dia novonoiny , notifiriny .

🧹 Nodiovin’i Xavier ny trano , naleviny tao an-trano ihany ireo razana 5 miampy ireo alika . Ny 11 Aprily no niala tao an-tranony i Xavier , ary natory tany amin’ny hotely , ny 15 Aprily no nahitana azy farany , nandeha tongotra ary tsy hita intsony . Ny 19 Aprily no niantso polisy mpiara-monina rehefa nahita ny trano mangina loatra . Ny 21 Aprily no hitan’ny polisy ireo razana (fan-6 ireo polisy vao nahita satria tsara afina ny razana)

⚖️ Nivoaka ny mandat d'arrêt international ho an’i Xavier , natao ny fikarohana , saingy hatramin’izao ora hanoratana izao dia mbola tsy hita izy . Ary nilaza ny polisy fa mety namono tena any amin’ny toerana tsy mpahita any i Xavier . Na mety ihany koa hoe nanorina fiainam-baovao any amin’ny firenena hafa .

🌏 Ny Pejy : Tsy maintsy tafita aho & Tix Store

⁉️ 𝗜𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝘃𝗲 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗼𝘃𝘆 𝗯𝗲 𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼? 𝗝𝗲𝗿𝗶𝗷𝗲𝗿𝗲𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗯𝗮 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗽𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆  😁...
25/05/2026

⁉️ 𝗜𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝘃𝗲 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗼𝘃𝘆 𝗯𝗲 𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼? 𝗝𝗲𝗿𝗶𝗷𝗲𝗿𝗲𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗯𝗮 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗽𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 😁

😳 𝗜 𝗚𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗥𝗮𝗻𝗱𝘆 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 , 𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗶𝗹𝗮𝘇𝗮 𝗳𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗼𝘃𝘆 𝗯𝗲 𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 , 𝗵𝗮𝘆 𝗶𝘇𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗿𝗮𝗵𝗮𝗹𝗮𝗵𝘆 𝗳𝗮 𝘀𝗮𝗺𝘆 𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻’𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝘀𝗮𝗺𝗶𝗵𝗮𝗳𝗮 .

👉 𝐼𝑡𝑦 𝑃𝑒𝑗𝑦 𝑖𝑡𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑡𝑖𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑎𝑘𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑟𝑎 , 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑓𝑖𝑛𝑎𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑧𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑎𝑑𝑖𝑛𝑜 𝑚𝑖-𝑠𝑢𝑖𝑣𝑟𝑒 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑖𝑠𝑦 𝑟𝑒́𝑎𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛 .

🇺🇸 Teraka tamin’ny 1974 i Randy , vao teraka izy dia nisy nanangana satria sahirana ny ray aman-dreniny . I Gary kosa dia teraka tamin’ny 1975 , ary nisy nanangana ihany koa izy , saingy ny an’i Gary dia novain’ireo nitaiza azy ny anarany .

⚖️ Nisy lalàna tany USA tamin’ny 2009 milaza fa ny kopia nahaterahana misy ny tena ray aman-dreny niteraka ihany no azo ampiasaina . Teo i Randy no nahalala ireo ray aman-dreniny ary nanao fanadihadiana momba ireo iray tampo aminy , saingy tsy nahita an’i Gary , satria ny anarany efa niova , ireo ray aman-dreniny mo efa maty tamin’io .

💼 Ny volana Jolay 2009 dia tafiditra niasa tao amin’i Dow Furniture i Randy , i Gary kosa dia efa 7 taona no niasany tao . Maro ny olona no nananiany fa toa kambana , mpirahalahy izy ireo , ka nanjary lasa mpinamana be izy , ary natambatra camion iray mihitsy rehefa manao livraison . Maro ireo client no milaza fa mitovy be , ka teo i Randy no nanotany azy hoe fa iza no ray aman-dreninao ? oviana ianao no teraka ?

🫂 Vao namaly ny taonany i Gary tonga dia fantany fa ilay zandriny io . Hay izy roalahy reto dia niray sekoly , niray tanàna fa tsy nisy nifankahalala . Nolazain’izy roalahy tao ampiasana io tantarany io ka nalefan’ny lehibeny tamin’ny mpanao gazety . Potak’izay dia nisy vehivavy nipoitra avy any nilaza fa anabaviny , afaka herinandro dia nisy lehilahy hafa . Hay isakin’ny miteraka ireto ray aman-dreniny dia omena olona foana .

🕊️ Indrisy nefa maty tamin’ny 16 Desambra 2021 i Gary , teo amin’ny faha-46 taonany . 12 taona no nihaonany tamin’ireo iray tampo aminy dia lasa izy .

🌏 Ny Pejy : Tix Store & Tsy maintsy tafita aho

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tix Store posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share