10/12/2025
🚀 IREO FOMBA VITSY HANAFAINGANANA NY FIDAY MIADANA na (M'RAM)
Mihena ve ny hafainganam-piasan’ny findainao?
Indraindray dia vokatry ny apps mavesatra, cache feno, na mémoire tery. Ireto misy astuce PRO hanatsarana avy hatrany ny performance-n’ny findainao 👇
---
1️⃣ ny Cache (Clean Memory)
🔧 Paramètre > Stockage > Cache
Ny cache dia rakitra vonjimaika mipetaka ao anaty finday. Rehefa feno loatra dia mahatonga “lag”, “freeze” ary fitranganakorontana.
Tombontsoa: Haingana kokoa ny fanokafana apps sy navigateur.
---
2️⃣ ny Applications mandeha ambadika
🧯 Paramètre > Applications > Force Stop
Misy apps mandeha foana na tsy ampiasainao. Mihinana RAM sy batterie izy ireny, ka mampiadana ny rafitra.
Vokany: Mitombo ny RAM malalaka → mihazakazaka haingana.
---
3️⃣ ny Animation (Tricks tena mahery!)
⚙️ Developer Options > Window/Transition Animator Scale → 0.5x na Off
Ny animation no mahatonga “slow effect” rehefa manokatra apps. Raha esorina dia miseho avy hatrany ny interface.
Highly recommended ho an’ny finday malemy RAM.
---
4️⃣ ny Applications tsy ampiasaina
🗑️ Ampidino ny enta-mavesatra amin’ny finday.
Ny apps be dia be ➜ mihinana stockage, RAM, ary misedra update mitaiza.
Fanoroana: Esory ny apps tsy ilaina, indrindra ireo “heavy apps”.
---
5️⃣ ny Version “Lite / Go”
📱 Ohatra: Facebook Lite, Messenger Lite, Instagram Lite
Ireo version “Lite” dia kely RAM sy stockage no laniny nefa haingana kokoa.
Tombontsoa: Mahazo 30–50% hafainganam-pandeha fanampiny.
---
6️⃣ Restart indraindray
🔄 Restart = Mamerina madio ny RAM sy ny processes rehetra.
Vokatra: Miala ho azy ireo “process bloqué”.
---
7️⃣ atao feno loatra ny stockage
📦 Rehefa mihoatra ny 85–90% ny mémoire dia lasa miadana be ny rafitra.
Soso-kevitra: Ataovy misy farafahakeliny 20% toerana malalaka.
👉 Araho ny Page, MADA AXE # raha mbola mila torohevitra momban'ny findainao ianao