03/06/2021
FANAMBOARANA KETCHUP
🍀ILAINA :
🍅Voatabia masaka tsara : 1kg
🍅Tongolobe : 1kg (azonao ahena fa ny ahy najanoko tamin'io 1kg io)
🍅Siramamy mena : antsasa-kilao
🍅Vinaingitra : 40sl na im-27 ny sotro fihinanana
🍅Sakay kely malefaka : 1
🍅Moutarde : eran'ny sotro fihinanana
🍅Dipoavatra voany : eran'ny sotro fihinanana
🍅Jirofo : 4
🍅Paprika : eran'ny sotro fihinanana
🍅Sira
🍀FIKARAKARANA :
🍅Sasana tsara dia zaraina roa ny voatabia. Esorina ny voany. Dia tetehina.
🍅Voasana dia sasana tsara ary tetehina koa ny tongolobe.
🍅Dia miara-arotsaka ao anaty vilany ireo. Andrahoina eo ambony afo malefaka mandritra ny antsasakadiny. Aroaroina matetika.
🍅Raha efa izay dia potehina anaty mixeur na amina moulin à légumes.
🍅Dia averina ao anaty vilany indray.
🍅Fatory anaty compresse kely ny dipoavatra voany sy ny jirofo dia arotsay ao amin'ny voatabia/tongolo.
🍅Arotsay koa ny vinaingitra sy ny siramamy ary ny sakay (zarao roa manarakaa ny halavany ny sakay dia esory ny voany aloha ny androtsahana azy).
🍅Dia avelao hiketrika ambony afo malefaka mandritra ny adiny roa. Aroaroy matetika. .
🍅Raha efa izay dia esory ilay sakay sy ilay compresse misy ny dipoavatra sy ny jirofo.
🍅Arotsaka ny moutarde sy ny paprika. Dia asiana sira.
🍅Tohizana ny fiketrehana mandritra ny antsasakadiny. Mbola afo malefaka foana no atao.
🍅Rehefa vita izay dia esorina ambony afo. Andrasana hangatsiaka.
🍅Dia izay vao ampidirina anaty bocal efa ni-stériliser-vana mialoha.
👉Ahazoana ketchup 1,5l eo ho eo
👉Azo ampirimina maharitra raha stérilisés tsara ny fampirimana azy.
👉Aloha ny hanidiana ny bocal dia andraraho menaka eo amboniny vao idina.
FANAMARIHANA :
Hadinoko ny nametraka azy ity tery ambony fa ampiako eto ambany. Ny fototra fanaovana azy dia voatabia, vinaingitra, sira, siramamy. Fa tahaka ny karazan-tsakafo rehetra dia mihamaro ny manao azy dia betsaka be ny variantes.
Fanamboarana azy iray ao anatin'ny maro izany ity nozaraiko ity. Azonao atao ihany koa ny mampifanaraka azy amin'ny itiavanao azy. Ho an'ny ao an-trano rahateo ny anaovana azy ka tsisy bedy!!!!!!!!
Efa nobedesin'izay ramatoa izay mantsy aho indray andro hoe : "F'angaha izay tianao anaovana azy ny atao?????"🤣🤣🤣Dia novaliako fotsiny hoe : "eny àry koa", izaho ve hifamaly amin'olona tonga mamangy ny pejiko????? Tsiaaaa!!!!! Achafaaaaaadyyyyyyy! Raisina am-pifaliana aza!!!!!!😍😍😍
Source : IZAY Manan-Tsira MAHAY Mahandro
https://web.facebook.com/fannadecuisine/