03/01/2026
GENIUS OF GEOPOLITICAL
🇻🇪 : MANAMBARA I TRUMP FA HISY ANDIANA FAMELEZANA FAHAROA ATAON’I ETAZONIA HAMELEZANA AN’I VENEZUELA
Nanao fanambaràna momba ny hoavin’i Venezuela i Trump ary nilaza fa hisy andiana fanafihana miaramila faharoa hataon’i Etazonia.
Ireto ny hevi-dehibe nambaran’i Trump :
Etazonia no hanapa-kevitra ny hoavin’ny politika ao Venezuela, handray anjara betsaka amin’ny fitrandrahana solika ao amin’ilay firenena, ary tsy hamela olona hibodo ny toeran’ny Filoham-pirenena ao Venezuela raha tsy misy ny fankatoavany.
Nilaza i Trump fa niresaka tamin’i Maduro izy herinandro lasa izay ary nampirisika azy hanolotra tena an-tsitrapo.
Nambarany ihany koa fa tsy hanana olana amin’i Chine izy aorian’ny fisamborana an’i Maduro, satria “hahazo solika” i Chine.
Araka ny filazany, nafindra niala an’i Venezuela tamin’ny angidimby i Maduro sy ny vadiny, nentina napetraka anaty sambo, ary hoentina any New York.
Ho avy tsy ho ela 🔥
#𝗟𝗘𝗕𝗢𝗡