Girl With Grace

Girl With Grace Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Girl With Grace, Office supplies, Antananarivo.

JESOA TSY MANDAONangidy ireny lasa ireny, reko niatra tamin'ny aikoToa tsy mety lany mihitsy ny ady sy ola-mitataoBe ire...
18/04/2026

JESOA TSY MANDAO

Nangidy ireny lasa ireny, reko niatra tamin'ny aiko
Toa tsy mety lany mihitsy ny ady sy ola-mitatao
Be ireo lala-nolalovana, saika hahakivy izany saiko
Fa ny hany sisa nifaliako: soa Jesoa fa teo Ianao

Matetika aho no azon-tahotra, malahelo koa mazàna
Rehefa tojo izay manjo, toa tsy mety haiko izay atao
Dia ny sento sy tomany no miraradraraka, tsy tàna
Ny hany sisa mampitony: hay Jesoa mbola eo Ianao

Tsy fantatro ny rahampitso na izay segaondra iray ho avy eo
Tsy haiko izay anjara ho ahy rehefa mandroso ho ao aloha ao
Tsy namboarina aho hahalala ny zava-drehetra mety hiseho
Ny hany tokiko amin'ny hoavy: Ianao Jesoa tsy mba mandao.

Art'lala
180426

Hello hello!Faly izahay mampandre fa niova ho "Girl With Grace" ny anaran'ny pejintsika😊Natao hifampizarana tenin'Andria...
16/04/2026

Hello hello!
Faly izahay mampandre fa niova ho "Girl With Grace" ny anaran'ny pejintsika😊

Natao hifampizarana tenin'Andriamanitra sy tips isan-karazany @ étude biblique eto amin'ny pejy manomboka eto. Noho izany, najanona mihitsy aloha ny varotra😉

Asao ny namana izay mety ho liana amin'izany🥰
Mirary soa ho antsika rehetra.
Soyez bénis🥰

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Girl With Grace posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share