18/10/2025
❌️CYCLONE ❌️
https://www.facebook.com/share/1ArLQFZ72p/
FILAZANA MANOKANA MOMBA NY TOETRY NY ANDRO ETO MADAGASIKARA| 17 Oktobra 2025 tamin’ny 06 ora hariva
📌Firafitra ankapoben’ny toetry ny andro
☑️ Misy faritra andro ratsy mitoetra ao amin’ny ranomasimbe Indiana, ao atsinanan’ny Nosy Diego Garcia. Efa hita taratra amin’ny sarin’ny zanabolana ny tambolon-drivotra miaraka aminy, arahina rahom-baratra saika mitoetra manodidina ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary atsimo andrefana izy tato anatin’ny 24 ora farany. 📍Any amin’ny manodidina ny 3131 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Antalaha no nisy ny foibeny ny tolakandro teo.
📈Araka ny singa voaray ny maraina teo dia tombanana manodidina ny 55 Km/ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra ao anaty oram-baratra.
📌Fironana ato anatin’ny dimy andro manaraka
☑️ Tombanana hanohy ny diany hiakandrefana somary Atsimo Andrefana ity faritra andro ratsy ity ato anatin’ny dimy (5) andro manaraka. Tomombana amin’ny ankapobeny ny firafitry ny habaka, ka hanamora ny fivoarany.
🌀Noho izany dia vinavinaina ho lasa rivodoza ity faritra andro ratsy ity amin’izao faran’ny herinandro izao. Raha izay no miseho dia hitondra ny anarana hoe CHENGE izy.
☑️ Tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisiany ato anatin’ny dimy andro ho avy. Tsy mbola misy ihany koa ny filazana loza mikasika ity tranga ity.
🙏Entanina kosa ny mponina amin’ny faritra Diana, Sava ary Ambatosoa mba hanaraka ny vaovaon’ny toetry ny andro indrindra manomboka ny fiandohan’ny herinandro manaraka.🙏
‼️Araho mandrakariva ihany koa ny toro-marika omeny manam-pahefana isan-tokony.‼️
🔑 Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar