12/05/2023
«Mety misy olona manota ka diso tamin’ny TOMPO satria mandainga amin’ny namany momba ny zavatra nampitahirizina azy, na zavatra nindraminy, na zavatra nangalariny, na zavatra nalainy an-keriny, na zava-bery hitany, na koa manao fianianana tsy marina momba izay mety ho fahotana fanaon’ny olona. Noho izy nanota ka meloka, dia haveriny ny zavatra nangalariny na nalainy an-keriny, na nampitahirizany azy, na zava-bery hitany, na izay rehetra nanaovany fianianana tsy marina. Haveriny manontolo izany sady hampiany ny ampahadimin-tombany, ka homeny an’ilay tompon-javatra, vantany vao tsapany fa meloka izy.
Levitîka 5:21-24 DIEM
👉Rehefa mamaky ny Levitikosy 2-5 isika dia maneho fa namatsy lalana hanavotana ny zanak'Israely hatrany Andriamanitra. Soa ihany fa Izy no Andriamanitra! Be famindrampo! 😍
Mahita hatramin'ny kipitsopitson'ny fahadisoana mahazatra fanaon'ny olona izy ary namatsy fomba hahafahan'ny olona ho voavela heloka.
Misy amin'izy ireny zavatra tena lasa fanao mahazatra antsika tahaka ity andalana iray ity nefa tsy dia rarahiantsika loatra.
🙏Jesosy Kristy namita feno ny Sorona ho famelan-keloka antsika sy ho fampiononam-pahatezeran'Andriamanitra. Ary mahazo famelan-keloka feno izay nandray izany fanatitra nataony izany am-pinoana ho azy. Tsy ilaina intsony ireo karazan-tsorona samy hafa voalaza ao.
👍Nomena maimaimpoana noho ny Fahasoavana ho antsika izany. Miaina ao ambanin'ny Fahasoavana io isika. Ny Fahasoavana anefa tsy mahatonga ny fahotana ho tsy fahotana intsony. Raha ao ambanin'ny fahasoavana ary isika dia mandeha maily iray mihoatra aza!
Firifiry ny sotron'olona fantatsika fa an'olon-kafa fa tafajanona ao an-dakoziantsika 😅 tsy hoe noho ny fahasoavana dia tsy averiko intsony ity! 🤪
💪Andao hahatoky na amin'ny zavatra kely indrindra tahaka izany aza isika! Atao ahoana moa ny hamerina sotro 1 sy 1/5-na sotro 😂 fa raha misy zavatra tsy anao dia avereno amin'ny Tompony fotsiny. Tsy hoe tsy tsaroany akory aza ity na tsy mampaninona azy akory aza izany. Tsy izy sy ianao ilay resaka eto fa ianao sy Andriamanitra.
PS: raha sahirana ianao mamaky ny Levitikosy amin'ny Baiboly Protestanta mahazatra antsika dia manandrama mamaky azy amin'ny Baiboly DIEM.
(Sary fanehoana hita tao amin'ny aterineto)