Tantara Marina

Tantara Marina 🌍 Vaovao • Zava-misy • Adihevitra
Hifampiresadresahana ny zava-misy maneran-tany sy enyamin'ny fiaraha-monina

😢 JAILYN ILAY ZAZAKELY MATY NAVELAN‘NY RENINY 10 ANDRO IRERY TAO AN-TRANO.Jailyn dia zazavavy kely 16 volana monina niar...
26/06/2026

😢 JAILYN ILAY ZAZAKELY MATY NAVELAN‘NY RENINY 10 ANDRO IRERY TAO AN-TRANO.

Jailyn dia zazavavy kely 16 volana monina niaraka tamin’ny reniny tany Cleveland, Ohio, Etazonia. Tamin’ny volana Jona 2023, navelan’ny reniny irery tao anatin‘irony Parc pour bébé irony ity zaza ity ary namelany tavoahany misy ronono vitsivitsy satria nandeha nanao vakansy tany Detroit sy Puerto Rico niaraka tamin‘ny olontiany izy.

Tao anatin‘izay dia nijanona irery tao antrano ity zaza ary nitomany matetika no miantso mama, taitra ihany ny manodidina ka niantso ny reniny saingy milaza hatrany ity farany fa tsy misy olana, hany ka tsy nisy nandray fepetra ny mpiray vody rindrina.

Rehefa niverina ny reniny dia hitany fa efa tsy niaina intsony i Jailyn. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitsabo, maty noho ny tsy fahampian-drano sy ny tsy fahampian-tsakafo ilay zaza rehefa navela irery nandritra ireo andro maro.

Hita tamin’izany ihany koa ary fa tsy nisolo ity zaza nandritrin‘ny 10 andro ka nihosotra maloto.
Feno maloto avokoa ny hoho sy ny aty vava satria dia nohon‘ny hanoanana tafahoatra dia mihinana ny malotony ity zazakely.
Ny tena nampalahelo indrindra dia voamarina fa ny andro faha-9, izany hoe iray andro monja talohan‘ny nodian-dreniny vao maty ity zaza.

Tamin’ny taona 2024 moa dia niaiky ny helony ny reniny ary voaheloka higadra mandra-pahafaty tsy misy fahafahana hivoaka. Niteraka alahelo sy hatezerana eran-tany ity raharaha ity, ary nampahatsiahy ny rehetra ny maha-zava-dehibe ny fiarovana sy fikarakarana ny ankizy.

🕊️ Mandria am-piadanana, Jailyn.

Address

Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 19:00
Tuesday 09:00 - 19:00
Wednesday 09:00 - 19:00
Thursday 09:00 - 19:00
Friday 09:00 - 19:00
Saturday 09:00 - 19:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tantara Marina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share