27/01/2024
📌 NY VOKA-TSOA AZO AVY AMIN'NY TOAKA
Matetika ny voka-dratsin'ny toaka foana no henontsika matetika fa entina amintsika eto indray izao ny voka-tsoa azo avy amin'ny toaka.
Tsara ny manamarika eto am-panombohana fa ilay misotro am-pahamendrehana no lazaina eto fa tsy ireo toaka lahy akory.
Mila toaka 10g hatramin'ny 13g isan'andro eo ny vatantsika raha tiana hitondra soa ho amin'ny vatana izany, izany hoe mila tahan'ny alikaola 0,2g/L hatramin'ny 0,25g/L eo ny tahan'ny alikaola anaty rà .
Raha atao kajikajy tsotsotra dia ny labiera kely iray 33cl izay misy tahan'ny alikaola 5,4% eo no manome alikaola 10g.
Raha ny labiera no andrefesana azy izany dia labiera kely iray ampy. Raha divay kosa dia 1 vera eo, raha ilay toaka gasy na vazaha ireny kosa dia consomme kely 1 eo (iray vera kelina consomme ireny)
Tsara ny manamarika fa raha mitondra fiara dia tsy tokony hihoatra ny 0,8g/L ny tahan'ny alikaola anaty rà , izany hoe efa azo lazaina fa mamo ary voarara tsy mitondra fiara raha misotro labiera kely mihoatra ny 3.
Ireo voka-tsoa azo avy amin'ny toaka
✅ Mampihena ny fisian'ny diabeta, misy ilay antsoina hoe "Pectine" ao anatin'ny toaka, iny no mandrindra ny siramamy anatin'ny rà . Ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola 1 vera ho an'ny vehivavy ary 2 vera ho an'ny lehilahy no mampihena be ny fisian'ny diabeta type 2.
✅Miaro ny fo ny toaka, mampihena ireo fibrinogènes sy caillot. Ny zava-pisotro misy alikaola no mampihena ny tranga infarctus.
✅Miaro amin'ny aretina lalà ndra, ny alikaola no manala ireny zavatra mety hanentsina ny lalà ndra ireny ka mety hahatonga amin'ny AVC raha tsentsina foana.
✅Ny alikaola no mampihena be ny fahazoana tavy anaty vatana.
✅Manala ireo cholesterol ratsy izy, tandremo anefa fa raha be loatra ny alikaola dia lasa mampitombo io cholesterol ratsy io indray izy ka lasa mitombo ny fatran'ny triglycéride.
✅Manatsara ny fiasan'ny taova rehetra sy ny vatana izy, satria mila calorie betsaka ny vatana ary tsy dia mila tavy betsaka. Fantatrao angamba