Tsenanjazakely

Tsenanjazakely Fripperie Vente porte bébé

Reto ndray ny dispo ô - Swaddled💞- Sortie de bain- Divers vêtements💞- Tapis d'éveils- Tablier enfants💞- Inserts - Couche...
20/04/2026

Reto ndray ny dispo ô
- Swaddled💞
- Sortie de bain
- Divers vêtements💞
- Tapis d'éveils
- Tablier enfants💞
- Inserts
- Couche lavable💞
- Jouets d'éveils
sns...

❌ARTICLE BEBE DISPONIBLE ❌Nouveau né à 9 mois🌹- Swaddled : rehefa avy manao couche zaza dia fonosina hafana tsara ato💞- ...
29/03/2026

❌ARTICLE BEBE DISPONIBLE ❌
Nouveau né à 9 mois🌹
- Swaddled : rehefa avy manao couche zaza dia fonosina hafana tsara ato💞
- Lot de vêtements
- Insert
- Gigouteuse
- Tapis d'éveil
- Lange
- Sortie de bain
Tablier pour enfant de 2 à 10 ans
- Jouets d'éveil: livre- doudou- déco mural

28/02/2026

Lesona androany :
Mba ahafahan'ny ankizy manana ny fahatokisan-tena eo amin'ny fiainana dia ireto ary mila fantatry isika ray aman-dreny. Izy ity dia fototra na oe faka mba hanirin'ilay zaza ka hananany fahatokisan-tena be eo amin'ny fiainany ho avy.
1- COMMUNICATION : ny fifandraisana eo amin'ny ankizy sy olon-dehibe dia anisan'ny singa iray manamafy ny fahatokisan-tenany. Manoloana ny toe-javatra iray dia mila manadihady ny RAD , mamerina manontany ilay zazA tsara ny fandehan-javatra fa tsy tonga dia manapempo be avy hatrany.Ohatra: inona no azonao atao mba ahafahanao manatsara io zavatra tsy nety nataonao io?
Dia amin'izay fotoana izay ilay zaza mba ieritreritra sy hanadihady.
2- COMPLIMENT: fandokafana
Rehefa manao zavatra tsara ny ankizy dia omena doka kely mba ahananany ambo-po dia mazoto manao foana izy amin'ny manaraka.
3- RESPONSABILITES: omena andraikitra izy toy ny manasa vilia , manasa ny silipony , ny mouchoir ny.
4- CADRES : eo foana ny RAD mifehy ny zavatra ataony.Tsy ho goragora ny zaza nefa tsy ho gaboraraka koa.
5- PATIENCE: faharetana
Mila manana faharetana foana fa tsisy miracle , ny fanabeazana zaza dia efa fiainana amin'ny ankapobeny.
6- CHOIX: mila omena safidy ny zaza amin'izay ataony rehetra satria manampy be hananany fahaleovan-tena koa io.
7- fanomezan-danja ny EMOTION : inona no nampatezitra anao? dia tena tezitra ianao zao? fantatry Neny oe tezitra ianao fa aza milalao miaraka aminy intsony amin'ny manaraka
8- SOUTIEN: misy fotoana izy mety kivy dia eo ianao hanohana azy foana

Article manja kely ndray ô🎉Echarpe de portage- Sortie de bain- Gigouteuse- Drapeau- Insert- Doudou- Livre kely
22/02/2026

Article manja kely ndray ô🎉
Echarpe de portage- Sortie de bain- Gigouteuse- Drapeau- Insert- Doudou- Livre kely

20/02/2026

Short kely an-jaza 4 /5 ans
6.000 Ar izy roa

Salama namana a 🙌🏽Mila miverina ho toy ny zaza isika indraindray. Makafy ny natiora🥰Na zavatra tsy misy dikany ary dia m...
20/02/2026

Salama namana a 🙌🏽
Mila miverina ho toy ny zaza isika indraindray.
Makafy ny natiora🥰
Na zavatra tsy misy dikany ary dia mahavariana : vitsika mandalo, siokam-boron-kely🎉

Zao anh 🎀Rehefa misy fietsika sy fiteny  tsy mety ataon'ny zana-tsika dia miezaha foana aloha TSY MIKAPOKA Fa andramo ke...
14/02/2026

Zao anh 🎀
Rehefa misy fietsika sy fiteny tsy mety ataon'ny zana-tsika dia miezaha foana aloha TSY MIKAPOKA
Fa andramo kely anie e: raisin-tsika oe misy trangan-javatra vaovao be nataon'ny zana-tsika (ohatra: netiny teny am-pandriana ny tavoahangy misy rano dia very teo).
1- Manazava aminy fa tsy nety ilay zavatra nataony.
2- Miverina faharoa ilay zavatra nandrarana azy : averina tenenina izy oe raha mbola manao an'io dia misy sazy omeko anao
3- Mbola averiny ihany ilay izy.
Ampafantaro ary lazao azy ny sazy omenao azy raha mbola mamerina farany izy.
4- Eto amin'izay ilay manasazy satria efa notenenina in-telo

Dada sy Neny ô Io zanatsika io anie ka manana fietseham-po mitovy amin-tsika koa e🥰Ndraindray izy mety faly , mety malah...
11/02/2026

Dada sy Neny ô
Io zanatsika io anie ka manana fietseham-po mitovy amin-tsika koa e🥰
Ndraindray izy mety faly , mety malahelo, mety ho tezitra koa.
Ampio izy hamoaka ilay fietseham-po tiany avoaka fa misy fotoana sarotra aminy ilay izy.
💐 Ndrindra ho an'ilay mbola kely taona ireny. Ilay roa taona latsaka ireny.
Resao izy , antony moramora dia tambatambazo , hazavao azy fa tsapanao ny zavatra mahazo azy. Raha faly izy dia teneno oe : haiko fa faly ianao , raha tezitra izy dia lazao azy fa fantatry Neny oe tena tezitra ianao fa zao anh...... dia hitony mora eo izy.
Aleo izy hanala ny fony mihitsy aloha , ividiano ilay sac de sable reny ohatra. Na asio peta-drindrina misy karazana fietseham-po ny efitranony dia ataovy mijery ilay fietseham-po lalovany izy no sady manaraka izay ataon'ilay sary ihany koa.
⛔NY MAMPIAVAKA NY FIETSEHAM-PO NY ANKIZY SY NY AN'OLON-DEHIBE:
- Ny olon-dehibe afaka mamakafaka ihany ny amin'izay fandehan-javatra miseho fa ny zaza tompoko dia mbola kely ny atidohany ka tsy mahatakatra afa-tsy ny filàny sy ny fietseham-po dia mijanona eo.
Zay no masaka fa ampiaro E 🥰

Address

Tana
Antananarivo

Telephone

+261344968257

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tsenanjazakely posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share