27/08/2025
Tsara ho fantatra
‼️ AHOANA NY HIKOLOKOLOINA NY MASO AMIN'ITY ÉCRAN LAVA ITY ?
Efa tsy hafa-miala amin'ny écran intsony isika izao. Tsy écran ihany fa ireo karazana hazavana toy ny hazavan'ny jiro, masoandro sns.
Ireto misy astuces averina zaraina amintsika, afaka manampy antsika amin'izay fitandrovana ny maso izay :
👀 Akipikipio matetika ny maso mba mba tsy ho maina: matetika isika rehefa eo ambodin'ny écran dia variana loatra eo dia zara fa mikipy ny maso. Mahamaina ny corné iny
👀 Manaova ilay règle de trois 20: mijery zavatra à 20 pieds ( 6 mètres ) ianao mandritran'ny 20s isaky ny 20min, mba akan'ny maso repos
👀 Mila rivotra madio tahaka ny vatantsika ihany koa ny maso, ndana mivoaka kely ny hefitra rehefa elaela tao mba hiovan'ny maso rivotra. Afaka atao ity rehefa manao ilay règle de trois 20
👀 Mazotoa mihinana légumes ho fahasalaman'ny maso, efa nozarainay tao amin'ny groupe NDAO RESAHINA NY FAHASALAMANA ireo sakafo ilain'ny masontsika. Afaka miditra groupe
👀 Mazotoa misotro rano ary manaova ampy torimaso : ilain'ny vatana iray manontolo mihitsy ny fahaizana misotro rano sy ny torimaso ampy hahasalama azy. Adin'ny 7 na adin'ny 8 isak'alina dia ampy ahasalama ny maso.
‼️ Fadio ny miari-tory ‼️ Amin'ny 09ora alina isika farafahatarany tokony efa matory ary adin'ny 1 alohan'ny atory isika tsy tokony mijery écran intsony.
👀 Fadio ny mampiasa collyres sy produits cosmétiques atao amin'ny maso ka misy conservateur. Ny eto amin'i pejy Sandy Ny Aina efa hainareo mpanjifa fa tsy misy conservateur avokoa ny vokatra
👀 Ataovy massage indray isan'andro farafahakeliny. Atao moramora mba ho mandina tsara foana ny ati-maso
👀 Manaova protection solaire: efa manomboka mafàna izao eto amintsika. Manaova contre soleil foana iarovana ny maso amin'ny rayon UV sy ny hazavana be loatra ateraky ny masoandro.
‼️ Fadio ny mijery direct an'ny ngiahy be masoandro ‼️
👀 Izay solomaso mifanaraka amin'ny filan'ny masonao nomen'ny dokoteran'ny maso no hanaovy
👀 Mazotoa mihinana sakafo manan-karena antioxydants, zinc, Omega 03, vitamine A, B12 ary C. . Efa nozarainay tao amin'ny groupe voalaza etsy ambony ihany koa izay.
Ny eto amin'ny pejy ihany koa manana sakafo natokana ho an'ny maso mihitsy ho anao izay liana ny amin'zay. Ao amin'ny commentaires ny détails ✨
👀 Sasao matetika ny tànana : isika manana fahazarana mikosoka maso izay. Noho izany, ataovy madio ny tànana mba hisoroana amin'ny infections
‼️ Tandremo ihany koa ny zavatra hosorana amin'ny maso toy ny maquillage sns ‼️
👀 Atsaharo ny fifohana zava-mahadomelina isan-karazany
👀 Manaova fanatanjaha-tena : tsara ho an'ny fahasalaman'ny maso ihany koa ny sport
👀 Fadio ny mijery écran anaty maizina: mandreraka ny maso ny manao ny asany rehefa kely ny hazavana manodidina azy
👀 Asio elanelana 50cm foana ny masonao sy ny écran ampiasainao
👀 Izahay eto amin'ny pejy manana fanampi-tsakafo mikolo ny fahasalaman'ny maso izay
Mirary soa ho an'ny masonao ✨