23/03/2026
MANAKARA – Fanolorana Lehiben’ny Faritra Fitovinagny vaovao
Omaly 21 Martsa 2026, notanterahina tao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Manakara ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy an’i Jean Brunelle Razafintsiandraofa Lehiben’ny faritra Fitovinagny vaovao.
Nandritra izany, nanamafy ny Kolonely ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahana ara-dalàna ny asam-panjakana sy ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny vahoaka, amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra handraisana fitarainana.
Ny Lehiben’ny faritra kosa dia nanolotra paikady mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fiharian’ny mponina, indrindra amin’ny alalan’ny fametrahana DINA ho antoky ny filaminana sy ny fampandrosoana.
Nafana ny lanonana noho ny fandraisan’anjaran’ireo manam-pahefana, solombavambahoaka, raiamandreny ara-drazana ary ny vahoaka maro, nofaranana tamin’ny fialamboly sy afomanga.
Source :
📷DRCC Fitovinagny