21/08/2026
MAHATONGA TANORA HO LASA CHÔMEUR DIA ITY :
1. Tsy manana compétence miavaka sy tena ilaina.
Mianatra zavatra maro, fa tsy misy iray tena hainy tsara ka azon’ny orinasa ampiasaina.
2. Mifidy asa loatra.
Tsy manao asa raha tsy ilay mifanaraka amin’ny nofinofiny, ka mandà ny opportunité hafa mety ho làlana hidirana amin’ny asa.
3. Tsy te hanao asa mafy.
Ilay asa milamina, mangatsiatsiaka ao anaty bureau foana no tadiavina, nefa tsy te hanomboka amin’ny asa sarotra.
4. Miandry entreprise hitady azy fa tsy mitady opportunité.
Mandefa CV, miandry antso… dia rehefa tsy misy dia mijanona eo.
5. Tsy manatsara tena rehefa tsy mahazo asa.
Raha tsy voaray amin’ny poste iray dia tokony hanontany hoe: « Inona no compétence mbola tsy ampy amiko? » fa tsy hoe « Tsy misy asa eto Madagasikara. »
6. Tsy vonona hanomboka amin’ny ambany.
Te hahazo salaire tsara sy poste tsara avy hatrany, nefa tsy te hanomboka amin’ny expérience kely, stage, freelance na asa tsotra.
Tadidio:
Tsy ny diplôme ihany no mampahazo asa. Ny compétence, ny expérience, ny attitude ary ny fahavononana hianatra sy hanomboka no tena mampitombo ny opportunité anananao.
Fa rehefa tena miezaka mitady ianao ka mbola tsy mahita, forony ilay asa tadiavinao. 😎
Forony ny asa tianao hatao, na izay hitanao fa mety aminao. Tsy voatery hiasa amin’olona foana vao afaka mahazo vola.
Aza adino fa hisy ny formation en ligne “Famoronana Vadin’asa” amin’ity Alahady ity sy ny Alahady heriny. Hizara sy hampianatra idées de vadin’asa maro azonao atomboka aho. Hoan’ny manana asa na mbola tsy manana.
👉 Raha mahaliana anao dia soraty hoe “VADIN’ASA” amin’ny commentaire.