23/11/2022
Any zay ilay zanako eeeee....
TSOFY RANO NY ZANAKAO ISAKY NY MARAINA.
Ny zanaka ve?
Investissement fa tsy depense...
Tombony fa tsy vesatra...
N'inona n'inona voa afafinao (investissement) dia tadidio fa mila zezika sy rano mba hampitombo azy...
Mila fikolokolona mba halehibe azy...
-Ny handaozanao ny tokan-tranonao vao maraina be dia nohon'ny zanakao.
-Ny mampiazakazaka anao isan'andro tsy ahafantaranao masoandro mamay dia nohon'ny fanomananao ny hoavin'ny taranaka mandimby anao.
Ry namako,
Aza mitsisy tso-drano amin'ny zanaka izany raha mbola misy teny ihany eny ambavanao:
- Lohany ianao zanako fa tsy ho rambony
- Ambony ianao zanako fa tsy ho ambany
- Hampindrana ianao zanako fa tsy hindrana.
- Mahomby ianao zanako fa tsy ho raraka...
Tadidio fa ny teny dia tahaka ny voa izay afafy.
Ny voa rehetra dia maniry ary mamololona raha eny amin'ny tany tsara.
Ny tany tsara indrindra tokony amafazanao ny voa-nao dia any amin'ny zanakao.
Ny toerana tsara indrindra tokony hanaovanao investissement dia any amin'ny zanakao.
Izay afafy ihany tompoko no hojinjaina.
Raha hamafy ihany dia mamafaza voa tsara.
Mpitoriteny 11:6
Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
-Zaro ny molotrao tsy hamoaka ozona amin'ny zavatra nijalianao sivy volana.
-Zaro vavanao hitondra motivation ho an'ny zanakao mandritra ny tontolo androny.
Ndao hanova zavatra