20/06/2023
⭕TRANGA IRAY NANDONA NY FOKO ANDROANY 😊
Tao ampiangonana no niseho,
Zazalahy kely iray(@ sary) avy hatrany dia nisisika niditra nipetraka tsy nihambahamba(sans complexe) fa teo no nalalaka, nipetraka - nitsangana miaraka @ mpiangona rehetra toy ny olon-dehibe, tsy mitatabataba ary hita ho tena mifantoka @ fotoam-pivavahana, mikipy tsara rehefa fotoana fivavahana,(ifonako raha voatery naka sary aho),
Tonga ny fotoanan'ny filazan-draharaha dia noentiko nisakafo téo @ buvette satria tsapako fa noana sady nangatsiaka izy satria "tsakoahana"
"Fanantenana" hono no anarany rehefa nanontaniako ary tsy eo Ambohitrarahaba izy no mipetraka fa any Ambohitsaratelo izany ???
Rehefa nisakafo izy dia nisy m**o nentiny dia noteneniko izy hoe tsy aleo vé laniana eto iny m**o iny?
Nihodokodina izy dia tsy hitako tampoka teo, hitako anefa izy avy eo efa mizara ilay m**o @ zazavavy kely hafa....(tena Zaza tsotra)
Niverina Téo @ toerana aho ary iny koa izy fa tonga, ny nahagaga dia nitazona vola 400ar izy, azo antoka fa nisy nanome ireo vola ireo fa tsy azy kanefa koa ny fahitako azy tsy mba mangataka.
Tonga ny fotoanan'ny raikitra dia gaga aho fa nataony raikitra ara-dalana tsy tamim-pisalasalana ilay vola teny antanany, ary rehefa nandalo ny raikitra faha-3 dia niteny t@ Diakona izy hoe: roa ihany tompoko no nananako fa tsy misy faha-3 intsony 😭 dia hoy ilay Diakona hoe: "tsy maninona mihitsy kah"😍
Ny tiako hambara dia marina bé loatra ilay tenin'Andriamanitra hoe:
"fa na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny Zaza dia tsy hiditra aminy akory"Lioka18:17
Mialatsiny amin'ny sary tompoko 🙏