19/05/2026
FANTATRAO VE FA ??
🪔🥥Ny menaka voanio (huile de coco) dia akora natoraly tena tsara sy maro mpampiasa noho ny tombontsoa maro entiny ho an'ny fahasalamana sy ny hatsaran-tarehy.
Ireto avy ny tombontsoa lehibe omeny ho an'ny vatana, ny volo, ary ny zazakely:
🏋️♂️ 1. Ho an'ny vatana
Ny menaka voanio dia manankarena asidra matavy (acide laurique) sy vitamine E, izay miaro sy mamelona ny hoditra Izany :
- Manalefaka sy mampandena ny hoditra afaka asolo *lait de beauté* indrindra ho an'ny olona manana hoditra maina: manidy ny hamandoana ao anatin'ny hoditra izy;
-Miaro amin'ny mikraoba: manana toetra miady amin'ny bakteria sy ny holatra (*antifongique*) izy, ka manampy amin'ny fisorohana ny aretina amin'ny hoditra.
-Manasitrana ratra sy doro masoandro: Manampy amin'ny fanavaozana ny sela maty ny menaka voanio, ka tsara ahosotra rehefa voadidin'ny zavatra maranitra na voadidin'ny masoandro;
-Manalefaka ny "vergetures": ho an'ny vehivavy bevohoka na niteraka, ny fanosorana azy matetika dia mampihena sy misoroka ireo tsipitsipika fotsy amin'ny kibo na fe.
👧2. Ho an'ny volo
Iray amin'ireo menaka tsara indrindra ho an'ny volo ny menaka voanio satria tafatsofoka hatrany anatin'ny fakan-volo izy Ka :
-Mampitombo sy mampatevina ny volo: mamelona ny fakan-volo izy ka mahatonga ny volo ho lava sy ho boseka tsara;
-Miaro amin'ny fahatapahana: satria misy proteina natoraly ao aminy, miaro ny volo tsy ho ngita, tsy ho tapaka, ary tsy ho simban'ny hafanana (ohatra: fitaovana fihosorana na masoandro);
-Manafoana ny angadrano (pellicules): Ny fanorana ny hodi-doha amin'ny menaka voanio mafana matetika dia mampihena ny mangidihidy sy ny angadrano;
-Mampamirapiratra: manome herinaratra sy famirapiratana natoraly ho an'ny volo tsy mavitrika.
🤱 3. Ho an'ny zazakely
Satria akora natoraly 100% ny menaka voanio dia tena malefaka sy tsy misy rano simika ho an'ny hoditry ny zaza:
-Miady amin'ny "croûtes de lait" (angadrano amin'ny zaza): hosory menaka voanio kely ny lohan'ny zaza, avelao hilona 20 minitra, ary kikiso moramora amin'ny borosy malefaka alohan'ny hampandroana azy;
-Misoroka sy manasitrana ny fahasosoran'ny fitombenana (érythème fessier): ny hamandoan'ny couche dia matetika mandratra ny fitombenan'ny zaza. Ny menaka voanio dia miaro ny hodiny tsy ho mena na hangidihidy;
-Tsara hanaovana "massage": manampy ny zaza hatory tsara sy hampitony azy ny fampiasana menaka voanio rehefa o***a izy aorian'ny fandroana.
-Manalefaka ny hoditra maina: raha misy faritra maina na misy "eczéma" amin'ny hoditry ny zaza, dia manampy betsaka amin'ny fampitoniana izany izy.