EduBooks Mada

EduBooks Mada 📚 EduBooks Mada — Votre librairie digitale à Madagascar ! E-books en développement personnel, business, éducation & bien-être.

Apprenez | Grandissez | Réussissez. Livraison instantanée par WhatsApp ou Email ou Messenger

Contact: +261 34 98 965 43

18/06/2026
16/06/2026

Découvrez la différence réelle entre ChatGPT et CLAUDE, et pourquoi claude mérite votre attention.

N'hésitez pas à liker, enregistrer et partager cette publication à un confrère, et à suivre la page pour ne rien manquer de nos prochains contenus sur l'IA

💰 Te ho mpanakarena ve ianao?Atsaharo miandry miandry lava fa mianara mamorona vola.Tsy lovaina foana ny harena fa ianar...
10/06/2026

💰 Te ho mpanakarena ve ianao?

Atsaharo miandry miandry lava fa mianara mamorona vola.

Tsy lovaina foana ny harena fa ianarana ihany koa. 📚
Ary ny fianarana rehetra dia manomboka amin’ny fahavononana sy ny fanapahan-kevitra izay maharesy lahatra anao

Any an-tsekoly dia ampianarina isika hiasa mba hahazoana vola. 💼

Fa tsy dia misy mampianatra antsika ny fomba hampiasana ny vola mba hiasa ho antsika. 💡

Io fahabangana io no mahatonga olona an-tapitrisany hijanona ao anatin’ilay faribolana hoe:
❌ “Tsy ampy mihitsy ny vola”

Ity misy dingana 03 hianarana mamorona vola

1️⃣ Fantaro ny fomba fiasan’ny vola
Ny vola dia manaraka fitsipika. 📖
Fantatry ny mpanankarena izany ary maro kosa ny mbola tsy mahalala azy.
Misy ny atao hoe "Actif sy Passif"

✅ Ny Actif dia izay rehetra mampidi-bola mivantana ao aminao

✅Ny passif kosa dia izay rehetra mamoaka ny vola ao aminao
dingana voalohany mankany amin’ny fahalalahana ara-bola izany. 💰

2️⃣ Ampivelaro ny fahaiza-manaonao "compétence" ary avadiho ho lasa vola

🎯 Mivarotra
🎨 Mamorona
💻 Manoratra
📚 Mampianatra
📈 Mampiasa vola
Ny fahaiza-manao rehetra voafehinao dia varavarana mankany amin’ny loharanom-bola vaovao.
Arakaraka ny maha-betsaka azy ireo no mampalalaka anao ara-bola.

3️⃣ Ampitomboy ny loharanom-bolanao

💵 Karama tokana = teboka tokana mety hahatapaka ny fidiram-bolanao.
Ny milionera dia manana eo ho eo amin’ny loharanom-bola 7 samihafa. 📊
Tsy rendrarendra izany.
Fa misy paikady azo ianarana. 🚀

💡 "Raha te hanankarena ianao dia mila mianatra mamorona vola. Tsy mianatra mandany na manonofy fotsiny, fa mamorona azy amin’ny alalan’ny fahaiza-manao sy ny fifehezan-tena ary ny paikadinao."

Tsy vidiana ireo fahaiza-manao ara-bola ireo.
Fa azo ianarana.
Ny andro rehetra laninao mianatra dia fampiasam-bola amin’ny tenanao. 📚

Ary matetika ny tombony azonao avy amin’izany dia mihoatra noho ny fampiasam-bola maro hafa. 📈

🧠 Ny harena dia toy ny siansa:
✅ Azo ampianarina
✅ Azo ianarana
✅ Azo fehezina
✅Azo hampiarina

💰 Ary ianao?
Inona ny fahaiza-manao ampivelarinao amin’izao fotoana izao mba hampitomboana ny fidiram-bolanao

🔥 Singa iray hamantarana ny faharanitan-tsain'ny olona iray ny fanekeny ny fahadisoany🧠✨Kanefa, firy ny olona no miady s...
09/06/2026

🔥 Singa iray hamantarana ny faharanitan-tsain'ny olona iray ny fanekeny ny fahadisoany🧠✨

Kanefa, firy ny olona no miady sy mitady hevitra mba hanamarinan-tena, toy izay ny hiaky fa hoe diso izy? 🤔

Jereo ireo manodidina anao.

💔 Misy mpivady mifanditra mandritra ny taona maro satria tsy misy te hiteny hoe: *"Diso aho."*

🤝 Misy namana misaraka noho ny fifandirana iray izay azo novahana tamin’ny resaka tsotra.

💼 Misy asa sy tetikasa mijanona tsy mandroso satria misy olona tsy mety manaiky fa nanao fanapahan-kevitra diso.

Ity misy toe-javatra 04 mila fantatrao mikasika ny olona miaky heloka

01 —voajanahary ao amintsika ny fanaovana hadisoana. Fa safidy kosa ny fandavana azy.
Samy mety diso avokoa ny olona rehetra na:

👔 Ny mpitondra.

👨‍👩‍👧‍👦 Ny ray aman-dreny.

🧠 Ny olona manan-tsaina lazaina fa manan-tsaina indrindra.

Fa ny maha samihafa azy kosa dia izay tsy miaky ny hadisoana nataony dia miverimberina hatrany eo aminy iny zavatra nataony iny

02 — Ny filazana hoe “Diso aho” dia herim-po

Ny olona rehetra dia samy te ho marina daholo, fa ny fanekena hadisoana dia fihetsika feno herim-po tanteraka. 💪
Tsy faharesena izany. Fa porofon’ny tanjaka izay ao anatinao. 🌟
Ny olona mahay mifona amim-pahatsorana dia tsy very hasina eo imason’ny hafa.
Matetika aza dia vao mainka hajaina kokoa izy ireny. ❤️

03 — Ianao dia tsy afaka manitsy izay zavatra ekenao
Ny hadisoana ekena dia lasa lesona. 📚
Ny hadisoana lavina kosa dia lasa fahazarana ratsy miverimberina. 🔄

04 — Tsy ny hadisoanao no mamaritra anao

Ny mamaritra anao dia tsy ilay hadisoana nataonao fa izay fanapahan-kevitra raisinao aorian’izany.

Ny fiovana tsara indrindra eo amin’ny fiainan’ny olona dia matetika manomboka amin’ny teny tsotra nefa sarotra lazaina:
💬 *"Diso aho."*

🏆 Ny fanekena hadisoana dia tsy midika hoe very an'ady.

Fa fandresena amin’ilay ampahany ao anatinao izay mandà tsy hitombo sy hivoatra.

---

👇 Misy hadisoana iray ve eo amin’ny fiainanao izay mbola nolavinao tanteraka?

FANTATRAO VE HOE AVY AIZA NY FOTOTRY NY FAHASAMBARANAO??Jereo anie ireto trangan-javatra 02 ireto e:➡️Misy olona iray ne...
06/06/2026

FANTATRAO VE HOE AVY AIZA NY FOTOTRY NY FAHASAMBARANAO??

Jereo anie ireto trangan-javatra 02 ireto e:

➡️Misy olona iray nesorina teo aminy avokoa ny zava-drehetra teo aminy— ny fahasalamany 💔, ny fianakaviany 👨‍👩‍👧‍👦, ny volany 💸; nefa dia mahita fiadanam-po ihany izy.

➡️Misy kosa olona iray an, efa eo am-pelatanany daholo ny zavatra rehetra — fahombiazana 🏆, ny laza 🌟, ny vola🏡 — nefa miaina ao anatin’ny fahabangana lalina izy. 😔

Inona ny zavatra tiana hampitaina ?

✨ **Tsy miankina amin’ny toe-javatra ivelany ny fahasambarana, fa miankina amin’ny fiovana avy ao anaty**

IRETO MISY TEBOKA TELO HO ZARAIKO AMINAO

💡 01 — Afaka miova ny olona. Tena afaka.

Manamarina izany ny siansa. 🧠

Ny atidohan’olombelona dia afaka mianatra sy miova mandritra ny androm-piainana manontolo.
Izay heverinao ho:
👉 “toetrako izany”
👉 “izaho mihitsy izany”
👉 “izany no fomba fiainako”
dia mbola afaka miova sy mivoatra avokoa

Tsy voatery hijanona ho ilay olona nisy anao omaly ianao androany. 🌱

---
✨ 02 — Tsy tombontsoa ho an’ny olom-bitsy ny fahasambarana
Tsy miankina amin’ny:

🎨 lokon-koditrao
🌍 firenena niavianao
📖 lasa niainanao
💰 na ny habetsahan’ny volanao
ny fahasambarana.

Ny fikarohana natao tamin’ny firenena maherin’ny 150 dia mampiseho fa ny tena mahatonga ny olona ho sambatra maharitra dia:

❤️ Ny kalitaon’ny fifandraisana ananany

🎯 Ny dikany na ny "valeur" omeny ny fiainany

🕊️ Ary ny fahafahany misafidy hoe inona ny tanjona tiany ho tratrarina eo amin'ny fiainany

---
🚀 03 — Ny fiovana dia tsy midika hoe mamafa ny lasa
Maro no mihevitra fa ny fiovana dia midika hoe manadino na mandà ny zavatra niainana.

Diso izany. ❌

Ny miova dia midika hoe:

💔 Manaiky ny ratrao
📚 Mianatra avy amin’ny hadisoanao
⚡ Mandray lesona amin’ny tsy fahombiazanao
🧗🏽Ary manapa-kevitra ny hanao izany ho tohatra hiakarana, fa tsy fasana handevenana ny nofinao. 🌉

Tsy mila miverina manao "départ zero" ianao fa mila mandroso amin’ny fomba hafa fotsiny. 🌟
---

❤️ Ny olona naratra indrindra dia afaka ny ho sitrana.
🧭 Ny olona very lalana dia afaka mahita fiainana vaovao.

🔓 Ny olona voafandriky ny fahazarany dia afaka manafaka ny tenany.

Satria AO ANATIN'NY MAHA OLONA NY FAHAFAHANA MIOVA
Ary ny fahasambarana dia zo nomena anao hatrany am-bohoka fa tsy valisoa mila tadiavina akory 🌱✨

---
👇 Ary ianao?

Mino ve ianao fa mbola afaka miova?

Sa misy feo kely ao anatinao milaza hoe:

💭“Tara loatra izao…”

COMPLEXES D'INFÉRIORITÉ VE SA SENTIMENT D'INFÉRIORITÉ?Tsy afaky ny hahomby mihitsy aho noho ny toe-javatra misy hiainako...
05/06/2026

COMPLEXES D'INFÉRIORITÉ VE SA SENTIMENT D'INFÉRIORITÉ?

Tsy afaky ny hahomby mihitsy aho noho ny toe-javatra misy hiainako amin'izao

Tsy fahatsapana fahambaniana izany— fa Excuse.

Zavatra roa tsy mitovy izany

Ny fahatsapana ho ambany na ny "sentiment d'infériorité" dia zavatra iray eo amin'ny fiainana maha olona ary iainan’ny rehetra izany.
Ohatra
Teraka ianao dia tsy manana hery mihitsy fa niankina tamin’ny hafa ary tena marefo ianao tamin'izany. 👶
Tsy fahalemena fahatsapanao izany fa tokony hanosika anao handroso hatrany. 💪

⚡ Aza afangaro ny sentiment d'infériorité sy ny complexe d'infériorité

✅ Ny Fahatsapana ho ambany na ny sentiment d'infériorité dia manosika anao
👉 Hanentana
👉 Hampandroso
👉 Ary hivoatra sy hikaroka hatrany
💬 "Mbola tsy eo amin'ny tanjona tiako ho tratrarina aho amin’izao fotoana izao, noho izany hiasa mafy sy hiezaka aho mba hahatongavako any."

❌ Ny Complexe d'infériorité kosa no hahatonga anao
👉 Hahita "excuse" fona
👉 Hampijanona anao amin'ny toerana misy anao
👉 Ary hampilentika hatrany ny fiainanao
💬 "Toy izao ny toe-javatra misy hiainako, ka tsy ho afaka hahazo an’izay tiako mihitsy aho."

"Ny fahatsapana ho ambany sy ny faniriana hanatsara ny tena dia tsy aretina, fa hery manosika antsika hitombo sy hanatsara ny tenantsika."

✨ Tsy voafonjan’ny toe-javatra misy anao ianao. Fa matetika voafonjan’ny fomba andikanao izany toe-javatra izany.

🔥 Azonao ambara vé hoe Inona ny zavatra tokony nanaovanao "excuse" ka navadikao ho hery manosika anao hiroso hanao zavatra iray?

💬 Zarao ao anaty commentaire ny traikefanao satria mety hanafaka olona iray hafa ny tantaranao.

 # # ⚡ Mba fantatrao vé fa misy fihetseham-po roa no mifehy ny fiainanao?Tsy inona izany fa:Ny tahotraSy ny faniriana.Ny...
04/06/2026

# # ⚡ Mba fantatrao vé fa misy fihetseham-po roa no mifehy ny fiainanao?

Tsy inona izany fa:

Ny tahotra
Sy ny faniriana.

Ny fanapahan-kevitra rehetra raisinao dia tarihin’ny iray amin’ireo hery roa ireo.

❌ Tsy sahy miala amin’ny asanao ianao? **Tahotra izany.**

💸 Mividy zavatra tsy zakan'ny volanao ianao? **Faniriana izany.**

💔 Mijanona ao anaty relation izay efa manempotra anao? **Tahotra izany.**

🏆 Mihazakazaka mitady vola na fankatoavan’ny hafa? **Faniriana izany.**

Tsy fitsarana akory izany fa fomba fiasan’ny olombelona. 🧠

Tsy ny fanananao ireo fihetseham-po ireo no olana — efa nisy hatramin’izay izy ireo mba hiaro antsika sy hanosika antsika handroso hatrany 💡

Fa ny tena olana dia rehefa avelanao izy ireo handray fanapahan-kevitra **ho solonao**, nefa tsy tsapanao akory.

---
Ity misy vahaolana ho anao:

# # 💡 01 — Mandiniha tsara aloha vao mamaly

Rehefa misy fihetseham-po mahery vaika miakatra ao anatinao dia miandrasa 5 segondra aloha. ⏳

Anontanio ny tenanao hoe :

👉 *"Tahotra ve sa faniriana no miteny ato anatiko amin’izao fotoana izao?"*

Io fanontaniana tsotra io dia mety hanova ny zava drehetra.

---

# # ✨ 02 — Aza miady amin’ny fihetseham-ponao, fa diniho sy anontanio tsara izy

Ny fihetseham-po diso toerana sy tsy voadinika tsara dia lasa fonja ho an'ny tenanao. 🔒

Ny fihetseham-po amim-piheverana tsara kosa dia lasa tondrozotra manondro sy manitsy ny tokony ataonao. 🧭

Tsy afaka manafoana ny tahotra na ny faniriana isika fa afaka mianatra tsara kosa ny mifehy azy toy ny fianarana ny fiteny vahiny ihany koa. 📖

---

# # 🚀 03 — Manaova Safidy am-pahatsiarovan-tena sy am-pahatoniana tanteraka

Ny olona mandroso haingana indrindra dia tsy ireo olona miainga avy amin'ny fihetseham-po kely, fa ireo mahay mandinika ny fihetseham-pony, ary misafidy ny valiny omeny fa tsy manaiky hoentin’izany. 🎯

---
👇 **Araka ny hevitrao, amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao, iza no manjaka kokoa?**

😨 **TAHOTRA**

sa

🔥 **FANIRIANA**

💬 Valio ao anaty commentaire ary raha tianao dia azonao lazaina ihany koa ny antony.

🤝 Eto isika mba hifankahazo, fa tsy hifampitsara.

💪 Mikotrana isan'andro mba ho an'ny vatanao ve ianao?🧠 Fa inona kosa ny ataonao mba ho fanazarana sy fampivelarana ny sa...
03/06/2026

💪 Mikotrana isan'andro mba ho an'ny vatanao ve ianao?
🧠 Fa inona kosa ny ataonao mba ho fanazarana sy fampivelarana ny sainao?

Fantatsika rehetra fa mila mihetsika ny vatana mba ho salama.
Fa tsy dia misy mampianatra antsika fa ny harena koa dia vokatry ny fanazarana, izay fanazarana ara-tsaina, atao isan’andro ary am-pahatsiarovan-tena tanteraka.💡

Ny vatanao sy ny volanao dia manaraka ny lalàna izay apetrakao aminy:

👉 Izay fahazarana sy ny fampihofanana ampiharinao aminy ihany no vokatra azonao.

Raha tsy karakarainao ny vatanao dia harary ianao. 🤒ary raha tsy beazinao hivelatra ny sainao dia hijanona ho voafetra koa ny fahalalana ara-bola fantatrao. 💸

Tsy kisendrasendra izany.
Fa misy rafitra mazava tsara. ⚙️

# # # 💪 Ny Vatana

🏃 Raha manao fanatanjahantena tsy tapaka ianao dia mahazo hery sy fahavitrihana

🥗 Raha misakafo ara-pahasalamana koa dia voaharovana amin’ny aretina

# # # 🧠 Ny saina

📚 Raha mazoto mamaky boky sy tia mianatra ianao dia hahazo hevitra sy fahafahana ary fahalalana vaovao

💡 Raha manana fomba fisainana stratejika ianao dia hahay handray fanapahan-kevitra tsara sy mahomby

# # 🚀Ity misy torohevitra 03 hanampy anao hanankarena sy hampivelatra ny sainao

# # # 1️⃣ Mamakia boky momba ny vola 20 minitra isan’andro

📖 Boky iray isam-bolana momba ny fitantanam-bola, fampiasam-bola na fandraharahana dia hanova ny fomba fijerinao ny fanapahan-kevitra ara-bola rehetra.
---

# # # 2️⃣ Manaova analyse iray isan-kerinandro momba ny fanapahan-kevitra ara-bola

💰 Aiza no alehan’ny volanao?
Ny fandaniana rehetra dia safidy.
Ny fahazarana mandinika izany dia hahatonga anao hatanjaka sy faharanin-tsaina ara-bola. 📈

---

# # # 3️⃣ Miaraha sy mifandraisa amin’ny olona manana fisainana momba ny tontolo ara-bola

Ny resaka ataonao isan’andro dia mamolavola ny zava-misy ara-bolanao. 🌱

---

💬
*"Tahaka ny fanazaran-tena ara-batana ihany izay mitondra fahasalama ho anao ny fanazaran-tsaina, hahafahanao mampitombo ny fahafahanao ara-bola ka mitondra harena eo aminao."*

---

⚠️ Tsy avelanao ho kisendrasendra ny fahasalamanao.
Koa aza avela ho kisendrasendra koa ny harenanao.
Satria izany dia samy mihorina avy amin’ny:

✅ Fifehezan-tena
✅ Faharetana
✅ Fahazarana isan'andro

Ny maha samy hafa ny olona manankarena sy ny mahantra dia matetika ny zavatra hampihofaniny sy hanazarany ny vatany sy ny sainy isan'andro💪🧠
---
🧠 Ary ianao, inona no ampiofaninao amin’izao fotoana izao?

💪 Vatana vé?
🧠 Saina vé?
⚡sa Izy roa miaraka

💬 Valio ao anaty commentaire.

🔁 Ary zarao amin’olona miezaka mafy amin’ny fanazaran-tena ara-batana nefa mbola manadino ny fanazarana ny sainy sy ny faharanitan-tsaina ara-bola ity.

💰 Miandry ho mpanakarena vé ianao vao hanao Épargne?Tsy tamin’ny vola an-tapitrisany akory  no nanombohan’ireo mpanankar...
02/06/2026

💰 Miandry ho mpanakarena vé ianao vao hanao Épargne?

Tsy tamin’ny vola an-tapitrisany akory no nanombohan’ireo mpanankarena lehibe ireo, fa tamin’ny alalan'ny fanapahan-kevitra iray monja.

Dia ny:
💰Fitahirizana vola voalohany indrindra. 🪙
Mety efa naheno ianao hoe:

💬 *"Tsy ampy ny volako ka tsy afaka mitahiry aho."*

Fa izao no tsy lazain’ny olona aminao mihitsy fa teneniko anao androany:

Tsy ny habetsahan’ny vola tahirizina amin'ny voalohany no zava-dehibe
Fa ny fahazarana mitahiry isan'andro. 💡

Ny voa kely na ny "graine" iray dia afaka mitombo ho hazo ary maharitra zato taona. 🌳
Ny vola kely voatahiry androany dia mety ho lasa fahafahana ara-bola ho anao rahampitso. 🚀

---

# # 🌱 Ny ohatra dia manova ny fomba fijery
Jereo anie ity e:
# # # 🪙 Ny voa (graine) dia toy ny tahiry voalohany ataonao
Tsy maninona na kely aza ny vola.

Ny vola kely tahirizina tsy tapaka no fototry ny harena rehetra. 💰
Raha:
Tsy misy voa ➜ tsy misy hazo.
Tsy misy tahiry ➜ tsy misy harena.

---

# # # 🌿 Ny faka (racine)= Ny faharetana sy ny fitohizany atao isan'andro

Tsy mitombo ao anatin’ny iray andro ny hazo. 🌳

Toy izany koa ny harena.

Fa isaky ny mitahiry isam-bolana ianao, dia mihalalina sy mihamafy mangina ny fahamarinan-toerana ara-bola eo aminao. 📈

---

# # # 🌳 Ny hazo = Ny fahafahana ara-bola

Ny hazo lehibe dia manome :
aloka 🌤️
voankazo 🍎
ary mahatohitra tafio-drivotra 🌪️.

Toy izany koa ny tahiry voakarakara tsara:

✅ Miaro anao
✅ Manampy anao
✅ Manome fahafahana anao
Na dia sarotra aza ny fiainana.

---
💬
*"Ny harena dia tahaka ny hazo ka mitombo avy amin’ny alalan'ny voa, arakaraka ny maha-haingana ny fambolena azy no maha-haingana ny fitomboan’ilay hazo. Ny voa dia ilay vola tahirizinao. ."*

---

⏳ Ny fotoana tsara indrindra hambolena hazo dia efa tamin'ny 10 taona lasa izay.
🌱 Ny fotoana faharoa tsara indrindra kosa dia androany.
Isaky ny miandry Andro sy fotoana fona ianao dia vanim-potoana iray very izay tsy azo hiverenana intsony izay

Atombohy amin'ny kely ary atombohy izao. 🚀

Ary avelao ny fotoana hanao ny ambiny.

🔁 Zarao amin’olona mbola mihevitra fa mila manankarena vao afaka manomboka mitahiry vola ity hafatra ity. 💰✨

Address

Ambohitsoa-Ankazolava
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when EduBooks Mada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category