15/05/2026
𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐈𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐌𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐘 𝐀𝐊𝐎𝐑𝐘 𝐈𝐀𝐍𝐀𝐎
Ny olona mpamadika, mbola hovadihan’olona koa.
Ny olona mpandainga, mbola handaingàna koa.
Ilay nampitomany anao, mbola hampitomanin’olona.
Ilay nanimba anao, mbola hosimbain’olona.
Ny olona nanao ratsy anao, mbola hanaovan’olona ratsy koa.
Tsy misy mandeha eto an-tany tsy nandray ny vokany izany.
Hitanao io ravin-kazo na voankazo efa simba eny ambony ireny ?
Tsy mila halatsakao akory iny vao milatsaka, fa latsaka ho azy rehefa tonga ny fotoanany.
Ny Andriamanitra antsika tsy mamaly ratsy, fa mamerina aminao izay nataonao fotsiny.
Nanao tsara ianao, valiany tsara
Nana ratsy ianao, valiany ratsy
Noho izany, tsy mila mamaly akory ianao.
Miverina aminy ihany izay ataony na ho ela na ho aingana
Samy mijinja izay nafafiny daholo ny olona rehetra na aminy tsara na aminy ratsy.
Na ny Baiboly aza dia milaza hoe :
“Izay namafy rivotra, hijinja tadio.”
Réussir avec Martin
Mÿh la mode