Nenikely kanto

Nenikely kanto Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Nenikely kanto, Antananarivo.

Nenikely mizara
🌸 Torohevitra momba ny reny sy ny zaza
🍼 Fahasalamana • Fitaizana • Astuces quotidien
🤍 Partage douceur et bienveillance pour les mamans
📩 Collaboration & publicité en MP

🦷👶 FAMANTARANA 5 FA METY EFA MANAKAiky NY FIVOAHAN’NY NIFYInona avy ary o:?😍 Mampiditra zavatra rehetra ao am-bava ny za...
19/08/2026

🦷👶 FAMANTARANA 5 FA METY EFA MANAKAiky NY FIVOAHAN’NY NIFY
Inona avy ary o:?
😍 Mampiditra zavatra rehetra ao am-bava ny zaza.
💧 Mihabetsaka ny rora.
🦷 Mangidihidy na marary ny hihy, ka te hanaikitra zavatra izy.
😴 Mety tsy hatory tsara na ho mora kizintina
🤲 Mikosokosoka na mikasika matetika ny vavany sy ny hihiny.
💡 Zava-dehibe: tsy ny tazo avo na aretina rehetra no tokony horaisina ho vokatry ny fivoahan’ny nify. Raha misy tazo avo, fahalemena, na soritr’aretina mampanahy dia tsara ny manatona mpitsabo.
Mirary soa o 😊

💙 BABY BLUES: MIOVAOVA NY FIHETSEHAM-PO AVY TERAKARehefa avy niteraka dia mety hahatsapa fiovana tampoka amin’ny fihetse...
19/08/2026

💙 BABY BLUES: MIOVAOVA NY FIHETSEHAM-PO AVY TERAKA
Rehefa avy niteraka dia mety hahatsapa fiovana tampoka amin’ny fihetseham-po ny maman. Mety ho faly izy amin’ny fotoana iray, nefa tampoka eo dia te hitomany, mora tohina, mora tezitra na mahatsiaro reraka be.
Izany no antsoina hoe Baby Blues 💙
🌸 Inona no mety mahatonga azy?
Fiovana tampoka amin’ny hormonina aorian’ny fiterahana
Tsy fahampian-torimaso
Havizanana noho ny fikarakarana ny zaza
Fiovana lehibe eo amin’ny fiainan’ny maman
Fanahiana hoe “Ho vitako ve ny hikarakara ity zaza ity?”
💙 Inona avy ireo famantarana?
😢 Mora mitomany
😔 Mora tohina na malahelo
😤 Mora tezitra
😴 Tena reraka
🥺 Mahatsiaro ho tototry ny zavatra atao
❤️ Miovaova tampoka ny humeur
👉 Matetika ny Baby Blues dia miseho ao anatin’ny andro vitsivitsy aorian’ny fiterahana ary mihatsara tsikelikely ao anatin’ny 2 herinandro eo ho eo.
🤍 Inona no azon’ny maman atao? Aza mitondra irery ny zava-drehetra. Mialà sasatra rehefa afaka, mangataha fanampiana amin’ny vady na olona akaiky, ary lazao amin’olona atokisana izay tsapanao.
⚠️ Fa tandremo: raha maharitra mihoatra ny 2 herinandro ny fahatsapana alahelo, miharatsy, na manelingelina be ny fiainana andavanandro sy ny fikarakarana ny zaza, dia mety tsy Baby Blues intsony fa mety ho dépression post-partum ka ilaina ny manatona mpitsabo.
🌷
💬 Efa niaina Baby Blues ve ianao taorian’ny niterahana?
Mirary soa o 😊
Nenikely Kanto 🌸

👶 Nahoana no mitazona ny sofiny matetika ny zazakely?👂 Mety ho fahazarana fotsiny na fomba fahafantaran’ny zaza ny vatan...
19/08/2026

👶 Nahoana no mitazona ny sofiny matetika ny zazakely?

👂 Mety ho fahazarana fotsiny na fomba fahafantaran’ny zaza ny vatany.
😴 Mety hitranga rehefa reraka na te hatory izy.
🦷 Rehefa mivoaka nify, mety hahatsapa fahasosorana manodidina ny takolaka sy ny sofina ny zaza.
🤒 Raha miaraka amin’ny tazo, sery, fitomaniana rehefa mikasika ny sofina, na tsy fahatoniana, dia mety hisy olana toy ny aretin-tsofina ka tsara hojeren’ny mpitsabo.
Mirary soa o 😊

🤱 NAHOANA NO MIHINTSANA BE NY VOLO REHEFA MAMPINONO?Maro ny maman no mahatsikaritra fa mihintsana be ny volo rehefa avy ...
18/08/2026

🤱 NAHOANA NO MIHINTSANA BE NY VOLO REHEFA MAMPINONO?
Maro ny maman no mahatsikaritra fa mihintsana be ny volo rehefa avy niteraka, indrindra mandritra ny volana voalohany.
💡 Fa ny fampinonoana ve no tena mahatonga azy?
👉 Tsy voatery hoe ny fampinonoana mihitsy no antony. Matetika dia misy ifandraisany amin’ny fiovan’ny hormonina aorian’ny fiterahana.
Mandritra ny fitondrana vohoka dia miakatra ny hormonina sasany ka mety hahatonga ny volo hijanona ela kokoa amin’ny dingana fitomboany. Rehefa avy miteraka kosa dia mihena ireo hormonina ireo, ka volo maro no miditra miaraka amin’ny dingana fialana sy fihintsanana.
🤱 Ny fampinonoana dia mety hitaky angovo sy otrikaina betsaka, ka zava-dehibe ny:
🥗 Mihinana sakafo isan-karazany sy voalanjalanja
💧 Misotro rano ampy
🥚 Mahazo proteinina ampy
🥬 Mihinana sakafo misy fer sy vitamina isan-karazany
😴 Miezaka miala sasatra araka izay azo atao
🌸 Vaovao tsara: Matetika dia mandalo ihany io fihintsanan’ny volo aorian’ny fiterahana io ary mihena tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana.
⚠️ Raha tena be loatra ny fihintsanana, misy faritra sola, na miaraka amin’ny havizanana be, fahalemena na soritr’aretina hafa, dia tsara manatona mpitsabo mba hijerena raha misy antony hafa, toy ny tsy fahampian’ny fer na olana amin’ny tiroida.
💬 Maman, efa niaina fihintsanan’ny volo be ve ianao taorian’ny niterahana? ❤️
🌸 Nenikely Kanto

🤰 Nahoana no misy mitsivalana (Position transversale) ny zaza ao an-kibo Rehefa manao échographie dia mety hilaza ny mpi...
18/08/2026

🤰 Nahoana no misy mitsivalana (Position transversale) ny zaza ao an-kibo

Rehefa manao échographie dia mety hilaza ny mpitsabo hoe mitsivalana ny zaza, izany hoe mitsivalana ao amin’ny tranon-jaza fa tsy mbola mitodika ambany ny lohany

💡 Inona no mety mahatonga izany?
👶 Mbola kely ny vohoka
Amin’ny volana voalohany sy afovoan’ny fitondrana vohoka dia mbola manana toerana malalaka ny zaza ka afaka miovaova toerana matetika.
💧 Habetsahan’ny liquide amniotique
Raha betsaka na vitsy loatra ny rano manodidina ny zaza dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahafahany mihetsika sy ny fitoerany
🤰 Endrika na toerana misy ny tranon-jaza

👶 Toeran’ny placenta
Indraindray, ny toerana misy ny placenta dia mety hisy fiantraikany amin’ny toerana ahafahan’ny zaza mihetsika.

👩‍🍼 Fitondrana vohoka efa imbetsaka
Amin’ny vehivavy efa niteraka imbetsaka, mety ho malalaka kokoa ny tranon-jaza ka mbola afaka miovaova toerana ny zaza.

❤️ Fa zava-dehibe: Raha mbola tsy akaiky ny fotoana hiterahana, dia tsy voatery hampanahy ny fahitàna zaza mitsivalana satria mbola afaka miova toerana izy.
⚠️ Raha efa akaiky ny fotoana hiterahana nefa mbola mitsivalana ny zaza, dia mila araha-maso akaiky ataon’ny mpitsabo na sage-femme, satria mety hisy fiantraikany amin’ny fomba fiterahana izany.
💬 Firy SA ny anao vao nidina ny lohany?
🌸 Nenikely Kanto

💧 Firy ny fatran'ny rano tokony hosotroin’ny zaza  6 volana hatramin’ny 1 taona?👶 Latsaky ny 6 volana❌ Amin’ny ankapoben...
17/08/2026

💧 Firy ny fatran'ny rano tokony hosotroin’ny zaza 6 volana hatramin’ny 1 taona?

👶 Latsaky ny 6 volana
❌ Amin’ny ankapobeny, tsy mila rano fanampiny ny zaza salama. Ny rononon-dreny na ronononjaza no manome ny rano ilainy. Na amin’ny andro mafana aza, tsy tokony hosoloina rano ny ronono.

🥣 6–12 volana
Rehefa manomboka sakafo fanampiny dia azo ampiana rano kely:
💧 eo amin’ny 120–240 ml isan’andro (½ ka hatramin’ny 1 kaopy), arakaraka ny filàn'ny ’ny zaza. Ny rononon-dreny na ronononjaza ihany no mbola loharanon-drano lehibe indrindra.

👉 Azo omena amin’ny tasse/kaopy na biberon tsikelikely, indrindra miaraka amin’ny sakafo.
⚠️ Aza terena hisotro be ny zaza, satria raha feno rano ny kibony dia mety hampihena ny habetsahan’ny ronono na sakafo raisiny.
🚫 Tsy mila jus ny zaza latsaky ny 1 taona.

💡 Tsarovy: Tsy mitovy amin’ny habetsahan’ny ronono + rano rehetra ilain’ny zaza ny 120–240 ml etsy ambony. Rano fanampiny io.
💬 Mazoto misotro rano ve ny zanakao? 👇❤️
🌸

☀️ HERINANDRO VAOVAO 🌿Enga anie ity herinandro vaovao ity hitondra zavatra iray hampitsiky anao, 😊zavatra iray hampahery...
17/08/2026

☀️ HERINANDRO VAOVAO 🌿
Enga anie ity herinandro vaovao ity hitondra zavatra iray hampitsiky anao, 😊
zavatra iray hampahery anao, 🤍
ary zavatra iray hampino anao indray fa tsara ny fiainana. ✨
Na inona na inona nolalovanao dia aza adino fa misy foana ny fahafahana manomboka indray. 🌸
Mirary herinandro feno fiadanana, fanantenana ary zavatra tsara ho antsika rehetra. 🌿☀️

🍼 Zazakely misy “frein de langue” 😮‍💨Indraindray dia sahirana amin’ny fitrohana nono ny zaza, mitomany rehefa minono, na...
16/08/2026

🍼 Zazakely misy “frein de langue” 😮‍💨
Indraindray dia sahirana amin’ny fitrohana nono ny zaza, mitomany rehefa minono, na tsy voky tsara foana.
Tsy dia fantatra anefa fa mety avy amin’ny “frein de langue” izany.Raha misy ilay zaza
💡 Inona moa io ?
Ny frein de langue dia ilay tapa-nofo kely manambatra ny lelany amin’ny faran’ny vava ambany.
Raha fohy loatra izy io, dia manakana ny lelany tsy hihetsika tsara.

👶 Inona no mahatonga azy hisy frein ?
➡️ Efa hatrany ambohoka mihitsy
➡️ Mety ho manaranaka (génétique).
➡️ Tsy avy amin’ny reny na sakafo mandritra ny fitondrana vohoka izany

👀 Famantarana mahazatra :
-Sahirana minono na miala tampoka matetika amin'ny nono ilay zaza
-Misy feo “clic clic” rehefa mampinono
-Mivonto na marary ny nonon-dreny
-Tsy afaka manokatra vava be ilay zaza
Mety hisy fiantraikany amin’ny fiteniny rehefa lehibe

💞 Inona no atao ?
-Aleo jerena amin’ny pédiatre na spécialiste en allaitement.
-Raha ilaina dia atao frenotomie (fanapahana kely azy haingana dieny mbola kely izy) eny -pahasalamana

Aorian’izay dia tsara atao fanazarana amin’ny lela mba hanamafisana ny fihetsik’izy io.

✨ Tsarovy Neny :
Ny fitsaboana aloha dia manampy be amin’ny fahombiazan’ny fampinonoana sy ny fivoaran’ny fitenin’ny zaza.
Zaza salama sy sambatra no tanjona 💖
Mirary soa o 🌸
Nenikely dia faly mizara aminao foana torohevitra raha misy tranga mitovy ka ny andraisana fepetra mamonjy tobi-pahasalamana.
Mirary soa o 😊

🤰 « BEVOHOKA VE IANAO? IZA AMIN’IRETO NO EFA NIAINANAO? »🤢 Maloiloy na mandoa😴 Reraka sy te hatory foana🚽 Mandeha mipipy...
15/08/2026

🤰 « BEVOHOKA VE IANAO? IZA AMIN’IRETO NO EFA NIAINANAO? »

🤢 Maloiloy na mandoa
😴 Reraka sy te hatory foana
🚽 Mandeha mipipy matetika
🦵 Crampes amin’ny tongotra
🌙 Tsy mahita tory tsara
« Ary ianao? Iza amin’ireto no tena niainanao nandritra ny fitondrana vohoka? Lazao amin’ny commentaire 👇❤️ »

🌸Bevohoka,misy manaintaina ao ambany kibo 👇Inona no mahatonga azy? 🌸 1. Raha vao manomboka bevohoka (1–3 mois)-Fitomboan...
14/08/2026

🌸Bevohoka,misy manaintaina ao ambany kibo 👇
Inona no mahatonga azy?
🌸 1. Raha vao manomboka bevohoka (1–3 mois)
-Fitomboan’ny tranon-jaza (utérus) manomboka mitombo, manindry tsikelikely ny faritra ambany.
-Misy hozatra sy lalan-drà manenjana amin’ny fivoaran’ny vohoka.
-fiovan'ny Hormone
➡️ Inona no atao? :
-Aza mitondra zavatra mavesatra.
-Maka aina rehefa misy fanaintainana.
-Misotroa rano betsaka.
-Raha mitohy be tsy zaka ,dia mila manatona mpitsabo

🤰 2. Raha efa amin’ny 4–7 mois:
-Fitomboan’ny zaza no manindry ny taova sy ny hozatra.
-Ligaments (tady manohana ny tranon-jaza) mivelatra → manome fanaintainana toy ny manintona.
-Fanaintainana valahana noho ny fiomanan’ny vatana amin’ny fiterahana.

➡️ Inona no atao :
-Mipetraha amin’ny toerana milamina
-Matory miorirana ankavia
-mitsanagana na mipetraka moramora
Aza manao akanjo tery

⚠️ 3. Raha misy soritr’aretina mampiahiahy dia mila mankany amin’ny hopitaly :
-Fanaintainana mahery na mitohy ela.
-Mivoaka ra na rano amin’ny fivaviana.
-Fanaintainana miaraka amin’ny fivontosan’ny kibo.
Fihenan’ny fivezivezen’ny zaza (raha efa mihetsika).

Izay dia mety famantarana loza mitatao amin’ny vohoka (menace de fausse couche, infection, na contraction aloha loatra).

💡 Famintinana:
> Raha marary kely fotsiny dia mety vokatry ny fitomboan’ny tranon-jaza.
Raha marary mafy na mitohy, mandehana any amin’ny dokotera/centre de santé hanaovana échographie sy fanamarinana.
Mirary soa daholo e
Nenikely maman Kanto dia mizara sy manampy ny reny amin'ny fitaizana,mizara torohevitra ahafahana ho mailo raha misy tokony hantonana mpitsabo fa tsy mpitsabo akory

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Nenikely kanto posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Nenikely kanto:

Shortcuts

Share