20/05/2026
❄️❄️Atao anaty Frigo sa tsy atao anaty frigo ? ny voankazo sy légumes ! 🥦
Matetika rehefa avy manao courses na manao provision isika dia apetraka anaty bac à légumes avokoa ny voankazo sy légumes.
❌😱Erreur be izany satria misy voankazo sy légumes mila température ambany ary misy kosa tsy mila.
🥬 Ny bac à légumes :
Ny bac à légumes dia tiroir de rangement mandanjalanja ny hatsiaka anaty frigo mba:
Tsy ho maina ny légumes
Elaela vao mihasimba ny voankazo
Mitazona ny légumes sy voankazo ho frais foana
✅Ireto izao misy temperature ambany foana ka tokony hatao anaty le bac : Salade 🥬, carotte 🥕, brocoli 🥦, concombre 🥒, haricots verts, pommes 🍎, raisins 🍇 fraises 🍓.
❌🍅 Ireto kosa tsy tokony hatao anaty frigo mihintsy:
Satria ny hatsiaka dia tena fahavalon’ireto sakafo ireto , temperature malefaka 19°C - 25°C fotsiny no ilainy:
Voatabia : rehefa atao anty frigo dia maina sy tsy croquant intsony ary very ny tsirony
Akondro: rehefa atao anty frigo dia mivadika mainty vetivety ny lokony
Ovy 🥔, tongolo 🧅, tongolo gasy 🧄, zavoka tsy mbola masaka 🥑, manga🥭 ary mananasy🍍 : miova tsiro lasa matsatso
⚠️ Tandremana koa anefa fa ny akondro , paoma, zavoka sy manga dia mamoaka éthylène, gaz tsy hita maso mampamasaka haingana ny fruits sy légumes manakaiky azy
💬 Ary ianao ? Inona ny erreur efa nataonao tamin’ny fampiasana Frigo?👇