Kilonga Mahay

Kilonga Mahay Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Kilonga Mahay, Shopping & retail, Anosizato Est II, Antananarivo.

"👉 Toro-hevitra mahasoa ho an'i Ray aman-dreny eo amin'ny fitaizana ny zanany.♄"
"👉Toro-lalana mba ahatonga ny zanakao hitombo fahalalana tsara, ahafahany miatrika fiainana.♄"
"👉Vente de jeux Ă©ducatif pour enfant.♄"

11/04/2026

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Yana Jo, Bebel Betombo, Tatih Rania, Raz Anj'soa, RamànGàlahy Màximïn RG, Valerie Paradis, Harivola Georgiah, Vonisoa Ramiliarifidy, Nathalie Herinirina, Sambatra Rakotomalala, Anjara Heriniaina Sylvain Thierry, Malalatiana Randrianarivo, Kemba Ramanitrasina, Veroo Mimie La Courageuse, Tahina Karly Ratsimbarison, Tolotra Jay'ah, Elysa Rahantanirina, Daly Andrianjafinimaro, Rija Jean Doré, Tiana Rasolofonirina, Iary Randrinaivo, Salohy Andrianjoharison, Fiovana Rfj, Andrianiaina Salohy Hosea Idealy, Marquis Noeline, Henintsoafetra Randrianoelisaona, Sylvia Andriamanjato, Valinasoa Raharinirina, Bako Malala, MamitiantsÞu Willian's, Rakoto Boulie, Zainab Edmine, Niavo Hortenses, Richella Jean, Santatra Rah, Asnah Mi, Voadiniaina Sahazanirina, Monia Minaj Cheba, Ernest Ankay, Emmanöella Nomenjanahary, Nekena Fanantenana, Randrianatenaina Jose, Mora Paulson, James Rakotomanga, Myriame Mulla, Harisolo Andriamanamih, Miora Nomenjanahary, Miora Lalaina, Liva Haingomanana, Simon Rakotomanga

đŸ„° 😘 Tiako ny zanako, ka hilazako hoe
Raha mbola zaza đŸ‘¶ : ho salama sy tomady mandrakariva.Raha ankizy 👩 : hitombo saina ...
05/04/2026

đŸ„° 😘 Tiako ny zanako, ka hilazako hoe


Raha mbola zaza đŸ‘¶ : ho salama sy tomady mandrakariva.

Raha ankizy 👩 : hitombo saina sy vatana hatrany.

Rehefa zatovo đŸ‘šâ€đŸŠ± : ho tohanako amin’izay safidy tokony ho aleha.

Rehefa tanora 🧑‍ : ho lasa lavitra eo amin’ny fiainana.

Rehefa lehibe 👹‍🩰 : ho ambinina amin’izay rehetra atao.

Rehefa manambady aman-janaka 🧔‍ : hahavita soa ny adidy sy ny andraikitra.

Rehefa antitra 👮 : ho reharehan’ny fianakaviana.

😊 Ry ray aman-dreny, n’inona n’inona taonan’ny zanakao, marim-pahaizan’ny zanakao, mahaizy azy ny zanakao, toetran’ny zanakao ; ny zavatra sarobidy indrindra dia ny fahaizanao maneho fitiavana azy na amin’ny fiteny, na amin’ny fihetsika ary indrindra amin’ny tohana rehetra izay ilainy.

❀ Aza adino hatrany ny mi-j’aime sy mi-partage, raha mahaliana anao ny zavatra izay zarainay ato amin’ny pejy.

đŸ€” Mba inona izao ny goutĂ© an’ny zanakao androany ?đŸ«© Noho ny havizanana haterakin’ny asa aman-draharaha, dia maro ireo Ra...
04/04/2026

đŸ€” Mba inona izao ny goutĂ© an’ny zanakao androany ?

đŸ«© Noho ny havizanana haterakin’ny asa aman-draharaha, dia maro ireo Ray aman-dreny izay tsy dia miraharaha firy intsony ny sakafo izay tokony hoanin’ny zanany, fa dia avelany any ilay zaza hividy izay tiany any, ka amin’ny maha-zaza azy moa dia tsy ho fantany mihitsy izay mahasoa ny fahasalamany fa dia izay mahafinaritra ny masony no vidiny. Manampy trotraka izany ny fiparitahan’ireo vokatra indostrialy : snack, bonbon, biscuit, chips ; izay miparitaka manerana ireo toeram-pivarotana maro.

😰 Vokatr’izany dia maro izay zaza izay mitaraina fa mora reraka lava, marary kibo matetika, ary na dia mbola kely ary ilay zaza dia efa marary nify sahady ; manampy izany ny fihenan’ny fifantohan’ilay zaza any am-pianarana satria vokatr’ireo akora simika ao amin’ireny snack ireny, dia mihena be ny fitomboany sy ny fivelarany sainy.

đŸ«” Ka noho izany ry Ray aman-dreny, mba jereo tsara ihany izay sakafo hoanin’ny zanakao, indrindra raha mbola zaza izy satria izay hanazaranao azy ihany no lasa habitude ho azy rehefa mihalehibe izy.

👌 Tsy misy maharesy ny vokatra natoraly, raha resaka otrikaina sy hery entina ho an’ny vatana, ary vokam-pikarohana maro no maneho fa avo roa heny ny hery entin’ny voankazo sy ny legioma raha ampitahaina amin’ireo vokatra indostrialy.

Ireto ary misy voankazo tokony homena an’ny zaza mba ahatonga ny sainy hivelatra sy hitombo tsara :

1ïžâƒŁ – 🍓 les baies (myrtilles, fraises, framboises) : io dia voankazo manankarena antioxydants sy flavonoĂŻdes, io dia miaro ireo sela ao amin’ny ati-doha, mampitombo ny fitadidina ary ny fifantohana eo amin’ny zaza.

2ïžâƒŁ – 🍊 Les argumes (oranges, mandarines, citron) : voankazo feno vitamine C, manainaitra sy manatsara ny fandefasana hafatra avy amin’ny ati-doha ho amin’ireo sela ao amin’ny vatana ary miaro ihany koa ireo sela ao amin’ny ati-doha.

3ïžâƒŁ – 🍌Les bananes : manankarena potassium sy glucides, mampitombo ny hery ary manamora ny fandefasana hafatra avy amin’ny ati-doha.

4ïžâƒŁ – đŸ„‘ Les avocats : voankazo feno Acides gras monoinsaturĂ©, tavy (graisse) tena ilain’ny vatana, ary manatsara ny fikorinan’ny ra ao amin’ny ati-doha.

5ïžâƒŁ – đŸ„œ Les fruits secs (noix, amandes, raisins secs) : manankarena Zinc, mampitombo be ny fitadidian’ny zaza ary tena manampy azy eo amin’ny fianarana.

Mba soraty kely ao amin’ny commentaire hoe : « inona goutĂ© homenao ny zanakao matetika ⁉ »

đŸ„° đŸ‘« đŸ«Ą đŸ„°
04/04/2026

đŸ„° đŸ‘« đŸ«Ą đŸ„°

🌍 Ity misy tantara iray izay niseho tany ampitan-dranomasina tany, Raim-pianankaviana iray izay nanana zanaka lahy kely,...
03/04/2026

🌍 Ity misy tantara iray izay niseho tany ampitan-dranomasina tany, Raim-pianankaviana iray izay nanana zanaka lahy kely, izay mbola 5 taona teo. Rehefa handeha hivoaka ny trano ity Raim-pianakaviana ity, ka handeha hamonjy toerana iray izay falehany matetika, dia izao no zava-niseho. Any ivelany moa dia rehefa ririnina ny andro dia misy ireny fanala ireny (neige), ka rehefa mandeha ambonin’ny neige dia tsy maintsy misy dian-tongotra tavela ary elaela mihitsy ilay dian-tongotra vao tsy hita. Ary indray mandeha rehefa nivoaka ny trano ity Raim-pianakaviana ity dia nanomboka nahatsikaritra zavatra hafahafa nanaraka azy rehefa nahavita dingana maromaro. Noho ny farany dia tsy naharitra izy ka nierika, ary akory ny hagagany fa hay ity zanany lahy vao 5 taona ity dia nanaraka azy avy ato aoriana. Taitra izy ka nanomboka niteny ny zanany : « fa inona no ataon’ilahy aty, amin’izao andro mangatsiaka be izao ? » Nitsiky kely fotsiny ilay zanany ka niteny tsotra hoe : « Izaho manaraka ny dian-tongotr’i Dada ! » Tonga saina be ilay rainy ka nandray lesona tamin’ny valin-tenin’ny zanany, nofihininy mafy ilay zanany ary dia niverina nody izy avy eo.

Tsy ahy no hitsara izay toerana noheritreritin’ilay rainy ho aleha, sy ny antony niverenany, fa izay andraisana lesona dia ilay valin-tenin’ilay zanany hoe : « izaho manaraka ny dian-tongotr’i Dada ! »

Ry ray aman-dreny aoka ho fantatrao fa ny modely voalohany tahafin’ny zanakao dia ianao ‌

Ny famindranao, ny fietsikao, ny fanaonao, ary matetika izay zavatra tianao Ray aman-dreny ihany no lasa tian’ilay zanakao ho atao.

đŸ€” Fa ny fanontaniana dia hoe :

Fitaratra manao ahoana ianao ⁉

Ny zavatra ataonao ve mifanaraka amin’izay lazain’ny vavanao ⁉

Ny fietrikao ve tena mipetraka eo amin’izay maha-modely anao izay ⁉

😉 Anjaranao Ray aman-dreny no mandinika, ataonao ahoana no hiteny amin’ny zanakao hoe : aza miteny ratsy ! Nefa raha tezitra ianao dia izany no mivoaka amin’ny vavanao voalohany. Ataonao ahoana no hananatra azy fa tsy mahasoa azy ny zava-mahadomelina, nefa rehefa misy fety dia ianao no hitany voalohany mandray izany.

đŸ«Ą Ry Ray aman-dreny tariho amin’ny lalana tsara sy mahasoa azy ny zanakao, indraindray aza tsy voatery hananatra amin’ny vava akory ianao fa na dia ny fihetsikao aza dia efa ampy handraisan’ny zanakao lesona eo amin’ny fiainany.

Aza adino ny mi-abonnĂ© hatrany raha nahaliana anao ity fampianarana ity, ary mba ahafahanao koa maharaka ireo contenue antsika rehetra. đŸ„°

✅ Ireo fahazarana 10 tsara omena ny zaza :1ïžâƒŁ – đŸ€ Zaro hiaraba olon-dehibe, ho marim-panajana.2ïžâƒŁ – 😊 Zaro hisaotra rehe...
03/04/2026

✅ Ireo fahazarana 10 tsara omena ny zaza :

1ïžâƒŁ – đŸ€ Zaro hiaraba olon-dehibe, ho marim-panajana.

2ïžâƒŁ – 😊 Zaro hisaotra rehefa misy manome zavatra, ho marim-pankasitrahana.

3ïžâƒŁ – đŸ™‡â€â™‚ïž Zaro hanao azafady rehefa mandingana olona, ary hialan-tsiny raha nanao ny tsy mety.

4ïžâƒŁ – đŸ€° Zaro hanome toerana ho an’ny Be antitra, bevohoka, mitaiza-kely, ary mana-kilema.

5ïžâƒŁ – 👮 Zaro tsy haka mialoha ny zokiny na izay lehibe noho izy.

6ïžâƒŁ – đŸ’Ș Zaro hanampy ny hafa raha azony atao, ho marim-pitiavana.

7ïžâƒŁ – đŸ—Łïž Zaro hanao teny tsara mandrakariva, ho marim-pahendrena.

8ïžâƒŁ – đŸ§č Zaro handamina sy hampirina rehefa avy mampiasa zavatra iray.

9ïžâƒŁ – đŸŠžâ€â™‚ïž Zaro hiaro izay kely noho izy, ho fiadiana amin’ny tsy rariny.

🔟 – 🙏 Zaro hanankina ny fiainany amin’Andriamanitra, fa izy tsy mahavita miady irery.

Fahazarana âžĄïž toetra âžĄïž maha izy azy.

🧐 Jereo ny fahazarana hanazaranao ny zanakao, diniho raha mahasoa azy izany, ary raha hitanao fa mety hitarika azy ho amin’ny fahapotehana, dia andraikitrao Ray aman-dreny no mandray an-tanana izany.

Mirary soa dia, Araho hatrany ny pejintsika ‌

🎓 « Ny fianarana no lova tsara indrindra. » đŸŽ“đŸ€“ Fiainan’ny olombelona tokoa ny fianarana, ary ny olona nianatra dia tsy h...
02/04/2026

🎓 « Ny fianarana no lova tsara indrindra. » 🎓

đŸ€“ Fiainan’ny olombelona tokoa ny fianarana, ary ny olona nianatra dia tsy ho very mandeha izany mihitsy.

Raha misy tanora lasa lavitra eo amin’ny fiainana, dia nisy ny filofosana izay nataony fony izy mbola zaza tao.

🙂 Ry Ray aman-dreny raha maniry tokoa ny hahalasa lavitra ny zanakao ianao dia aza atao amban-javatra mihitsy ny fianarany, araho maso hatrany, tohany amin’izay azonao atao rehetra, ary hampaherezo mihitsy izy mba ho tonga soa amin’izay tanjona iriny.

Ireto misy fianarana telo tena tsara hain’ny zaza na ankizy iray, mialohan’ny maha-lehibe azy :

1ïžâƒŁ – langue Ă©trangĂšre 🌍 : amin’izao dia maro ireo toeram-piasana mividy lafo ny olona mahafehy izany fahalalana izany, koa noho izany ampirisiho mihitsy ny zanakao hianatra langue, indrindra raha mbola zaza izy, fa ho tombony lehibe ho azy izany.

2ïžâƒŁ – informatique đŸ’» : mivoatra tokoa ny technologie amin’izao vanin’andro hiainantsika izao, ary atsy ho atsy dia ho nomerika daholo ny zavatra rehetra ka dia mety ho sahirana amin’izany fivoarana izany io zanakao io raha tsy mahafehy informatika, noho izany hampianaro informatika izy fa tena hanampy azy izany any aoriana any.

3ïžâƒŁ – gestion financiĂšre 💰 : maro ireo Ray aman-dreny no manamaivana ny fampianarana fitantanam-bola ho any zanany, satria mihevitra izy ireo fa mbola kely loatra ny zanany ka tsy azo ampahafantarina vola fandrao lasa tia vola be eo, izay tena mahadiso azy ireo. Tsy hampianarina hitady vola sy ho hampietaina amin’ny vola kosa anefa ilay zaza, fa atoro azy kosa ny fomba fitantam-bola izay tena ilainy any aoriana any, izany hoe : mba mianatra manao tahiry kely, ary zarany hividy zavatra izay mahasoa sy mampandroso aloha vao ny mahafinaritra ; izany dia ampy hivelarany tsikelikely eo amin’ny sehatrin’ny fitantana aram-bola, azo atao koa ny mampilalao azy ireny jeux de plateaux, antsoina hoe : « monopoly » ireny.

Mirary soa dia aza adino ny mi-j’aime ny pejin-tsika. â˜ș👍

« Ny zanaka tiana no hanarina. »â˜ș Ry ray aman-dreny ny fanehom-pitiavana amin’ny zanaka dia tsy amin’ny teny mamy sy ny...
02/04/2026

« Ny zanaka tiana no hanarina. »

â˜ș Ry ray aman-dreny ny fanehom-pitiavana amin’ny zanaka dia tsy amin’ny teny mamy sy ny fanomezana izay ilainy ihany, fa ny fananarana sy ny fibedesana raha misy fahadisoana ataony zanakao dia porofo iray lehibe fa tena tia ny zanakao ianao.

đŸ«‚ Tena tia tokoa ny Ray aman-dreny matoa manitsy, mananatra, miteny raha misy fahadisoana ataon’ny zanaka, satria tsy misy Ray sy Reny tehy hanan-dratsy ka izany no hanantanterahany ny andraikiny, mba ho fiarovana ny menakin’ny ainy.

Saingy maro anefa ireo Ray aman-dreny izay toa tsy mahafantatra ary indraindray dia tena tsy mahalala mihitsy ny tena atao hoe : fibedesana sy fananarana marina ; fa dia manaonao foana fotsiny, hany ka na dia heveriny hitondra vokatra tsara ho an’ny zanany aza dia ny mifanohitra amin’izay indray no mitranga, ary ny tsy fahafantarana ny tena fomba fananarana marina no mitarika ny zaza hanana otrim-po ary fankahalana mihitsy aza ny Ray sy reniny.

⁉ Fantatrao ve ilay hoe : Mibedy amin’ny saina🧠 fa tsy mibedy amin’ny fo đŸ«€.

Maro ireo Ray aman-dreny izay mananatra ny zanany amin’ny fo, ary heverina fa mandoatra izay ao am-pony izy ka tiany mba ho tsapan’ilay zanany ny alahelony na ny hatezerany, kanefa fantatsika tsara fa ny olona entim-po dia mety ahavita zavatra tsy voa-hevitra ka eo indrinda no ilaina fitandremana.

đŸ—Łïž ❎ Ireo fomba fananarana entim-po tsy mety atao amin’ny zaza :

1ïžâƒŁ ❎ – Tezitra amin’ny zava-misy niseho tany am-piasana dia ny zaza no hampiarina ny fahatezerana : maro ireo Ray aman-dreny sorena tamin’ny nataon’ny olona azy tany ivelany dia miandry kendry tohana fotsiny hanampoahany ny fahatezerany, ka raha misy ditra nataon’ilay zanany na dia zavatra tsy dia manao ahoana aza, dia tena mampihakam-pofona azy.

2ïžâƒŁ ❎ – Entim-po loatra ka mananao foana : maro ireo Ray aman-dreny tsy tonga saina mihitsy, fa rehefa manomboka be famaliana sy miteny mafy ilay zanany, dia manomboka mampiakatra ny feony ihany koa izy, ary rehefa hitany fa tsy leon’ny zanany dia manomboka miarombotra izy, ka mikapoka ny hiafarany, ary ny tena loza dia rehefa entim-pahatezerana loatra dia tsy mba mijery intsony izay tokony ho raisina fa izay tandrify eo dia alaina avokoa, na vilia, na kibay, ary indraindray dia zavatra mahamaofady mihitsy aza.

3ïžâƒŁ ❎ – Teny tsy voa-hevitra : fantatsika tsara fa ny voka-dratsy entin’ny teny maharary sy manindrona dia avo roa amin’ny takaitra azo avy amin’ny kapoka, ary haintsika fa ny teny dia tahaka ny voa kely izay afafy ka rehefa mitsimoka dia hanampaka ary hiteraka voka-dratsy goavana eo amin’ny maha-izy azy ilay zaza mihitsy any aoriana. Fidifidio ny teny aloakin’ny vava ndrao hanenenana any aoriana, satria maro dia maro ny zaza izay lasa marary fo tsy fidiny vokatrin’ny teny natao’ny Ray aman-dreniny.

đŸ—Łïž ✅ Ireo fomba tsara kosa azo hananarana ny zaza :

1ïžâƒŁ ✅ – Mitonia tsara aloha : makĂ  saina tsara, hadinoy daholo ny olana hafa rehetra fa mifantoha amin’io olana izay lalovan’ny zanakao io, aoka ho fantatsika fa tsy ilay zaza no olana fa ilay fitondran-tenany no tsy mendrika, dia iny no hahitsy fa tsy ilay zaza no latsaina.

2ïžâƒŁ ✅ – Antsoy izy dia resaho manokana : matetika ny Ray aman-dreny dia tia mananatra ny zanany eo imason’ny olon-kafa, izany anefa dia tsy tsara ho an’ilay zaza fa indraindray aza mety hiteraka vokan-dratsy ho azy.

3ïžâƒŁ ✅ – Hanontanio izy aloha : ezaho fantaro izay heviny na izay antony nanaovan’ilay fahadisoana, efa fantatrao tokoa fa nanao fahadisoana izy, saingy ny hanontaniana azy dia mba hahatonga hitsotra aloha na hanambara izay mba heviny, izany dia mba ahafahanao maka ny fony aloha voalohany indrindra ka ahatonga azy tsy hanome tsiny be anao fahatany, ary faharoa mba ahatonga anao haka ny toerany sy ahatsapa hoe : inona no ao an-tsain’ity zanako ity, nahatonga azy nanao izany fahadisoana izany.

4ïžâƒŁ ✅ – Ataovy tsapany ihany fa nanao fahadisoana izy : rehefa avy manao fanazavana be eo izy, dia tohizo fanontaniana foana ihany ; ohatra : « oooh ! zany
 Dia tena tezitra mihitsy ianao ? » ; « nahasorena anao mihitsy ny nanaovany anao an’izany ? » ; « oh ! tena mampalahelo be izany ! ». Ataovy tsapany fa mandray ny fahatsapany ianao, dia izy ihany avy eo no ataovy ahatsapa fa diso izy. Ohatra : « dia izay no nikapohinao azy ! » ; « ay ! dia izany no nangalanao ny entany. » ; dia ahanomboka ahatsapa tsikelikely izy fa misy fahadisoana tao, ka izy ihany avy eo no hifona aminao.

5ïžâƒŁ ✅ – Ny kapoka dia natao ho an’ny ankizy efa nanarina tamin’ny zavatra iray izay efa nananarana azy kanefa mbola mitohy manao izany ihany. Nefa kosa kapoka amin’ny saina fa tsy amin’ny fo.

â˜ș Ry ray aman-dreny raha tianao ny hanana zanaka hendry dia mianara mananatra amin’ny saina 🧠 fa tsy amin’ny fo đŸ«€.

Aza adino ny mi-partage amin’ireo Ray aman-dreny mila izany fampianarana izany.

⁉ Amin’ny fotoana inona ary no tena mampivelatra sy mampitombo be ny atidohan’ny zaza â‰ïžđŸ€”Maro ireo izay mihevitra fa re...
01/04/2026

⁉ Amin’ny fotoana inona ary no tena mampivelatra sy mampitombo be ny atidohan’ny zaza ⁉

đŸ€”Maro ireo izay mihevitra fa rehefa miditra any am-pianarana ny zaza vao manomboka mitombo sy mivelatra ny sainy.

❌ Diso tanteraka anefa izany, satria tsy izy vao manomboka miditra an-dakilasy (3 taona – 6 taona) no manomboka mivoatra ny sainy ka hoe : izay mihitsy vao hitombo tsikelikely. Fa araka ny fikarohana izay natao dia ny taona telo voalohany hiainan’ny zaza no haingam-pitombona sy mivoatra indrindra ny atidohan’ny zaza iray.

Eo indrindra no tena andraikitrao Ray aman-dreny satria dia mandritra io fehim-potoana io, no tena mila fikarakarana be ny zaza, ary mba hahatonga ny fivelaran’ny sainy ho aran-dalàna sy ho tomombana tsara dia miankina feno amin’ny tontolo izay misy manondidina azy ilay zaza.

👉 Koa araka ny fikarohana, ny fivoaran’ny atidoha’ny zaza dia tahaka izao :

❀ Any am-bohaka : « 100 milliards de neurone » no miforona ao dohany, ary ireo dia ampy azy mandritra ny androm-piainany rehetra.

🧡 Rehefa teraka : milanja eo amin’ny ÂŒ ny habean’ny atidohan’ny olon-dehibe iray ny sainy.

💛 0 – 1 taona : haingana be ny fitomboana ka efa mahatratra sahady ny atsasan-danjan’ny atidohan’ny lehibe iray ny sainy.

💚 1 – 3 taona : mitohy mivoatra hatrany izany ka efa tonga sahady ho 80 % ny habean’ny atidohan’ny olon-dehibe iray.

Mbola mitohy mandrampahalehibe azy moa io fivoarana io, ary araka ny fikarohana dia eo amin’ny faha 25 taona eo ho eo vao tonga amin’ny atao hoe : « phase de maturitĂ© » ny atidoha, ka manomboka tsy mivoatra intsony fa hiena ny fivoarany, mandram-pahafaty azy tsikelikely miandalana.

Ito no tena zava-dehibe indrindra ilaina ho fantatra ; miankina feno amin’ireto zavatra ireto ny hivelaran’ny sain’ilay zaza na mety koa tsy maha-aran-dalàna izany :
1ïžâƒŁ – ny tontolo manondidina azy.
2ïžâƒŁ – Ny kilalao homena azy.
3ïžâƒŁ – Ny toetran’ireo olona manondidina azy.
4ïžâƒŁ – Ny sakafo izay homena azy.
5ïžâƒŁ – Ny fientseham-po azony avy amin’ny mpiara-monina aminy.

⚠ Fitandremana tsara ho fantatra : ny zaza iharana stress be dia mety hanana fahasarotana eo amin’ny fitomboan’ny saina. Ny stress moa dia azon’ny zaza mety ho vokatrin’ny fiarahamonina mikorontana, ady eo amin’ny Ray aman-dreny na ho fisaraham-banadiana mihitsy ; ireny dia hitan’ilay zaza sy henony ary na dia tsy miteny aza ny vavany dia tena misy fiatraikany be amin’ny fihetsem-pony izany, ary ny farany dia hihitatra amin’ny sainy ka hitondra olana eo amin’ny fitomboany izany.

😊 Ry Ray aman-dreny, ny fivoaran’ny sain’ny zanakao dia miankina aminao tanteraka, aza atao ambanin-javatra, fa karakarao sy taizao ary ataovy izay azo atao rehetra mba ahatonga ny sainy hivoatra sy ho aran-dalàna tsara. 😉

Mirary soa dia aza adino ny mi-partage ity pub ity, raha nahasoa anao ‌

« Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora
 »Fiainan’ny zaza ny lalao, ary zon’izy ireo mihitsy izany. đŸ‘¶ Ny lalao no ten...
01/04/2026

« Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora
 »

Fiainan’ny zaza ny lalao, ary zon’izy ireo mihitsy izany.

đŸ‘¶ Ny lalao no tena fianarana ho an’ny zaza, ireny no tena mampivoatra ny sainy, handinihany sy hamantarany ny tontolo manondidina azy. Ary aoka ho fantatsika fa raha tsy ampy lalao ny zaza, dia sady tsy ampy fialam-boly izy no tsy dia mivelatra firy koa ny sainy.

❌ Ianao Ray aman-dreny anefa dia mila mahay mifidy tsara izay kilalao tokony homenao ny zanakao, ary tena tsy mety mihitsy ilay hoe : rehefa tsisy atao ilay zaza dia omena tablette hanarian’ny andro. Koa satria ny tablette sady mampihena be ny fivelaran’ny saina, ary tsy dia tsara mihitsy ho an’ny fahasalaman’ilay zaza.

Ireto ary misy « jeux Ă©ducatif » telo, izay nosingaina manokana satria dia afaka mampitombo avo roa heny ny intelligence sy mampivoatra haingana ny fahaleovantenan’ny zaza (autonomie) :

đŸ„‡ – Bloc de construction : ny « jeux de construction » dia manampy be ny imagination hananan’ny zaza, mitaona azy ho tia famoronana, ary mahatonga azy sahady hahavita hanangan-javatra samy irery.

đŸ„ˆđŸ§© – Puzzle : sady mampitombo ny imagination no mampianatra azy sahady hamaha olana samy irery, mampiakatra ny fitadidihany (mĂ©moire), mampizatra azy ho tia karokaroka sy handinika misimisy koakoa ny tontolo manondidina azy, ary mahatonga azy hamantatra fa ny fiainana hiainany dia tahaka any « piĂšce de puzzle » izany hoe : zavatra maromaro no hakambana mba ahazoana zavatra tsara iray.

đŸ„‰â™Ÿïž – Echec : Jeux de plateaux malaza be manerantany, niforona avy any Inde, ary jeux Ă©ducatif anisany tena mampitombo haingana indrindra ny fahaizan’ny zaza. Satria io dia mampianatra azy hanana faharetana, mitarika azy handinika ny zava-misy mialoha ny andraisana fanampahan-kevitra, mahatonga azy ho tony koakoa manoloana ny zava-misy, ary mampianatra azy fa ny fanampahan-kevitra izay raisina dia tsy maintsy misy vokany avokoa na hitondra fahombiazana na koa mety ho faharesena.

Mbola maro ireo jeux Ă©ducatif tsara ho an’ny zaza, fa raha ho lazaina eto daholo dia ho lisitra lavabe.

Koa mangataka aminao ary mba hosaratanao ao amin’ny commentaire izay kilalao fantatrao koa fa tena mampitombo ny sain’ny zaza ‌

Address

Anosizato Est II
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kilonga Mahay posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share