Rado Ambinintsoa Rakotondrabe

Rado Ambinintsoa Rakotondrabe Acteur de la nouvelle génération politique malagasy. Ancien Conseiller Technique au niveau national. Président de Gen XYZ Malagasy.

Je travaille pour une jeunesse forte, une citoyenneté active et une vraie Refondation.

09/04/2026

🙅🏾TSY MILA KORONTANA

Ndao hiatrika Concertation Nationale.

👉 Hajao ny namana tanora maro izay vonona ny hanatrika ny Concertation Nationale des Jeunes.

Inona moa no tena olana @ Concertation nationale ?? Mampametra-panontaniana 🤔

👉 Fanendrena sefo fokontany : Tsy mbola fotoanan’ny fifidianana aloha👉 Nandritra ny fihaonan’ny Filohan’ny Fanavaozana n...
09/04/2026

👉 Fanendrena sefo fokontany : Tsy mbola fotoanan’ny fifidianana aloha

👉 Nandritra ny fihaonan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Michaël RANDRIANIRINA, tamin’ny vahoakan’i Fianarantsoa ny 05 aprily 2026 tao amin’ny tranom-pokonolona, dia nambarany fa tsy mbola fotoanan’ny hirosoana amin’ny fifidianana sefo fokontany aloha izao.

👉 Araka ny fanazavany, tsy tokony horaisina an-kamehana ny fanapahan-kevitra momba izany raha tsy mbola voalamina sy voafaritra mazava ny rafitra fototra eny ifotony. Ny Fikaonan-doham-pirenena na « concertation nationale » no sehatra ara-dalàna sy ara-politika ahafahana mamaritra raha hofidiana na hotendrena ny sefo fokontany, mifanaraka amin’ny fanavaozana ny rafitra.

👉 Misy ny resabe vohizina mantsy fa mety ho fisalasalana amin’ny fanovana no antony tsy hirosoana amin’io fifidianana io. Fa aoka kosa hazava fa ny tanjona dia ny fananganana rafitra matanjaka sy maharitra, fa handray décision maika² mety hiteraka olana any aoriana.

👉 Antony lehibe iray ihany koa ny zava-misy eny ifotony : Maro amin’ireo fokontany no tsy mbola manana sefo amin’izao fotoana izao. Tsy azo ajanona anefa ny raharaham-panjakana sy ny asa fampandrosoana eny ifotony. Noho izany, dia ilaina aloha ny fanendrena vonjimaika ataon’ny lehiben’ny distrika, mandra-pahatongan’ny rafitra vaovao mazava.

👉 Farany, mbola manan-kery hatrany ny lalàna misy amin’izao fotoana izao. Ny Didim-panjakana laharana faha-97-1257 tamin’ny 30 Oktobra 1997 no mamaritra fa rafitra fototra ara-panjakana ny fokontany, ary ny lehiben’ny distrika no manendry ny sefo fokontany, mandra-pisian’ny fanapahan-kevitra vaovao.

𝟬𝟭 𝐚𝐩𝐫𝐢𝐥𝐲 𝟮𝟬𝟮𝟲 | 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗮𝗳𝗶𝗸𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗥𝗼𝘀𝗶𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮.📍𝐍𝐨𝐫𝐚𝐢𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 ô𝐟𝐢𝐬𝐚𝐥𝐲...
01/04/2026

𝟬𝟭 𝐚𝐩𝐫𝐢𝐥𝐲 𝟮𝟬𝟮𝟲 | 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝗮𝗳𝗶𝗸𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗥𝗼𝘀𝗶𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮.

📍𝐍𝐨𝐫𝐚𝐢𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 ô𝐟𝐢𝐬𝐚𝐥𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐚𝐧𝐲, 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐛𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐌𝐨𝐮𝐧𝐢𝐛𝐨𝐮 𝐈𝐬𝐦𝐚ë𝐥, 𝐁𝐚𝐭𝐚𝐢𝐥𝐥𝐨𝐧 𝐏𝐚𝐫𝐚𝐜𝐡𝐮𝐭𝐢𝐬𝐭𝐞 𝐈𝐯𝐚𝐭𝐨, 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐑𝐨𝐬𝐢𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚.

🇲🇬🇷🇺 𝐈𝐳𝐚𝐨 𝐝𝐢𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐚 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐚 𝐭𝐚𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚 𝐑𝐨𝐬𝐢𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐕𝐥𝐚𝐝𝐢𝐦𝐢𝐫 𝐏𝐨𝐮𝐭𝐢𝐧𝐞.

✅️𝐓𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚, 𝐧𝐲 𝐊ô𝐥ô𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚ë𝐥.

➡️𝐓𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧𝐭𝐬𝐨𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐭𝐨 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐭𝐨, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐨𝐥𝐨𝐚𝐥𝐢𝐧𝐝𝐚𝐡𝐲, 𝐧𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐅𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐌𝐚𝐦𝐢𝐧𝐢𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐄𝐥𝐲, 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐢𝐬𝐢𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚.

✅️𝐈𝐫𝐞𝐭𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐢𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐭𝐨 𝐦𝐨𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚 𝐦𝐢𝐟𝐨𝐧𝐨 𝐯𝐲, 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐢𝐚𝐧𝐚, 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐛𝐚𝐥𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐧-𝐤𝐚𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐲.

✅️𝐍𝐨𝐭𝐬𝐢𝐚𝐡𝐢𝐯𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐤𝐨𝐚 𝐟𝐚 𝐦𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐑𝐨𝐬𝐢𝐚 𝐧𝐨 𝐞𝐟𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐞𝐡𝐚 𝐚𝐧𝐤𝐞𝐡𝐢𝐭𝐫𝐢𝐧𝐲, 𝐭𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐫à𝐧𝐚 𝐭𝐫𝐚𝐢𝐤𝐞𝐟𝐚 𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚𝐦𝐢𝐥𝐚 𝐫𝐨𝐬𝐢𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚𝐦𝐢𝐥𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲.

✅️ 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐡𝐢𝐬𝐲 𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐨𝐦𝐩𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐤𝐨𝐬𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐲 𝐑𝐨𝐬𝐢𝐚.

Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM

Tsy dia mahagaga ahy intsony ny fomba fiadin'ireto page faken'ny rain'ny Lainga ireto. FAKE.
30/03/2026

Tsy dia mahagaga ahy intsony ny fomba fiadin'ireto page faken'ny rain'ny Lainga ireto.

FAKE.

Tsy misy hasard izany hoy aho : ‼️ Nivoaka ny rapport ny cour des comptes.👉 Vola 4000 Milliards no nangalarin'izy ireo 🫵...
23/03/2026

Tsy misy hasard izany hoy aho :

‼️ Nivoaka ny rapport ny cour des comptes.

👉 Vola 4000 Milliards no nangalarin'izy ireo 🫵
👉 Fiara 400 isa mahery nakepok'izy ireo 🙌
👉 Namoaka note ny Filoha hanenjehana ireo rehetra voasaringotra amin'izany halatra be vava izany 🙌

👉👉👉 Namoaka vidéo tampoka indray i Colonel Patrick
👉👉👉 Mafy dia mafy ny fanenjehana an'i Fanirsoa izay hany azo antoka fa hanenjika tsy ankitsitsy an'ireo izay nandray anjara tamin'izany.
👉👉👉 Pression mafy @ PRRM sy ny PM vaovao
👉👉👉 Fiantsoana ady eo @ samy Malagasy amin'ny alalan'ny fiantsoana ny Miaramila sy Zandary hikomy. Eny hanongam-panjakana mihitsy aza.

Hivoaka daholo amin'izay mantsy ny tena forongony miafina.
Ireo mody lazaina hoe teknisiana kanefa nandray anjara.tamin'io halatra io.

Tsy hihemotra anefa ny FANAVAOZANA satria izay no fitakiana nandritry ny Tolona.

Hapetrako eto satria efa niara-niasa taminy aho ary fantatro ny fahavononany hanova zavatra 🙏
21/03/2026

Hapetrako eto satria efa niara-niasa taminy aho ary fantatro ny fahavononany hanova zavatra 🙏

🇲🇬 *Maitre Tsiory - KANDIDA MINISITRY NY PONINA SY NY FIRAISANKINA (MPS)

I Maitre Tsiory dia isan'ireo Avocate Bénévole nandritra ny tolona izay natao. Mpitarika Platforme izay ahitana Fikambanana miisa 450 mahery manerana ny Nosy.
Ankehitriny dia vonona hitondra ny anjara birikiny amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara amin'alàlan'ity Ministera ity izy.

Betsaka ireo karazana fiahiana ara-tsosialy efa nataony ary tanjony ny hanadio ireo kolikoly sy ny fanodikodiana fananam-panjakana ao anatin'ity Ministera ity.

Mila olona vonona toa azy ny Firenena, olom-baovao azo ametrahana fitokisana mba hialana amin'ny fanaovana tantely afadrakotra ny volam-bahoaka.

Tapitra hatreo ny "Tsy maty manota"Fanavaozana en action...
20/03/2026

Tapitra hatreo ny "Tsy maty manota"

Fanavaozana en action...

Aoka aloha kely.Firy taona moa ianao Mr le President ny SMM no teo tsy naheno anao niresaka mihitsy izahay rehefa nanao ...
19/03/2026

Aoka aloha kely.

Firy taona moa ianao Mr le President ny SMM no teo tsy naheno anao niresaka mihitsy izahay rehefa nanao izay tiany natao tao amin'io Fitsarana io i Mamy Ravatomanga sy ry Bomba ??

Ankehitriny dia mijoro tampoka hanome lesona ny Filoha sy ny Praiminisitra hoe izao sy izao no tokony ho Minisitra ⁉️

👉 Il y a anguille sous roche 🤔

Nahoana no hatr@ SMM no mijoro milaza fa tsy tokony hanao erreur intsony ny filoha @ fanendrena ny Minisitra ny Fitsarana ???

Maninona raha tsorina fa aminareo dia erreur ny fanendrena an'i Fanirisoa Ernaivo ⁉️

Mila fanazavana mipetraka izahay tompoko fa sao dia tsy mety aminareo ilay Fanavaozana tiana hapetraka eny @ fitsarana ka ilay olona mitady hitondra azy no kapaina.

Azonay hatao tsara koa ny miteny ny Filoha hoe tsy erreur ny fanendrena azy teo satria izy dia SAHY manenjika na iza na iza ‼️

14/03/2026

Ny Fitsarana momba ny Kaonty, Andrimpanjakana ambony mpanaramaso ny fitantanambolam- panjakana, dia manentana ny besinimaro mba hanatrika ny fanehoana ny tatitra ampahibemaso 2025 na ny "Rapport Public 2025".

Izany dia hotontosaina ny alakamisy faha-19 Martsa 2026 amin’ny 10 ora maraina ao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Tampony Anosy.

Ny tatitra dia azo arahina mivantana amin’ny tambazotra sosialy Facebook Cour des Comptes de Madagascar.

"Zon'ny olompirenena ny mahafantatra ny nampiasana ny volam-panjakana."

[email protected]
www.ccomptes.mg

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rado Ambinintsoa Rakotondrabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Rado Ambinintsoa Rakotondrabe:

Share