30/06/2023
🎼TOHIN'NY AIKO🎼AGRAD🎼
Famaritako ny fitiavana,
sy fahasambarana
Ilay mahita tsikinao,
mitsena eny ambaravarana
Badabada
mihantsoantso hoe DADA!DADA!
Ilay saika efa aman-taona,
averinao hoe zazazaza
Mivezivezy aho,
teo amin'ny lalantsaran'y hopitaly
Tsy mahatombon-tsiraka ,
manontany hoe aiza IHANY
Dia injay ianao fa tamy
Nivaha jiro ho adivozina
tsy mety lany fa mamy
Ataoko an-kira izy androany,
Na ho hendry na ho adala
Aminao foko zanako,
tsy mba mety mankahala
Nitady vatosoa Aho,
fa toa mahita diamondra
Ny ampahory tsy hiriko
na dia iray segondra monja
Fa indray andro ianao ho reny,
ahatsapa sady ahazo hoe
Zaza refa tina tsy tsitsina rotsankazo
Nofihininao ny tanako,
ranomasoko tsy tanako
Ntsôoo,Avia trotroiko izany zanako
Dia ho lavitra Anao ny alon-drano oh!
Hanakaiky anao ilay fandresena ah!
Ny anan-dRay aman-dDreninao koa tano oh!
Fahaiza-miaina ampio fahendrena an!
Dia ampahatsiahivo dada raha somary varindriana
F'efa leo lomanao tanaty dobom-pahoriana
Lasa ratra tao am-poko ireo lasako taloha
Nalefako Aho raha mbola ireny no tojo anao fanin-droany
Tsapako ianao te hiangoty ,hiantahanta te hiantsampy
Fa tsy afa-manoatra,ilay fotoana ity toa tsy ampy
Raha fitadiavana iny tsy mamela mahazo
Tsy atsiarovana reraka,
tsy atsiarovana tanjaka
Nitombo ny taona
mihova koa ny laharam-pahamehana
Ho mpanjaka bé ny tany,
ataon'ny taranako tehana
Nefa na Dia izany aza,aza mihantehatra amin'ny lova
Raha nahefa trano bongo ah!
Nenao Kosa MBA rova
Tany feno fitaka indraindray mba mandohalika
Aza adino,ao aoriana anao
zao ny liona manaloha
Hiary sy hanoro anao ahita izay iriana sy tadiavina
Dia ho lavitra anao n'y alon-drano oh!
Hanakaiky anao Ilay fandresena ah!
Ny hana-dRay aman-dReninao koa Tano
Fahaiza-miaina ampio fahendrena an!
'ny_aiko